• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gouv
Image
Vaovao

Festival Aro Andrigna : efatra andro hanandratana ny kolontsaina sy ny talenta ao Mahanoro

21/10/2026 15:31 © Moov.Mg

Haharitra efatra andro, ny 27 hatramin’ny 30 oktobra 2026, ny Festival Aro Andrigna andiany fahatelo, izay hotanterahina ao amin’ny Stade Municipal de Mahanoro, faritra Atsinanana. Hetsika hanasongadinana ny kolontsaina, ny mozika, ny fanatanjahantena ary ny vokatra mampiavaka an’i Mahanoro izy ity.

Diabe sy seho ara-kolontsaina

Ny 27 oktobra no hanombohan’ny Festival Aro Andrigna, amin’ny alalan’ny diabe mamakivaky ny tanànan’i Mahanoro. Ankoatra ny seho ara-kolontsaina sy ny fifaninanana isan-karazany, dia hisy ihany koa ny fampisehoana an-tsehatra iarahana amin’ireo mpanakanto malaza sy ireo talenta eto an-toerana.
Ny talata 27 oktobra dia hisy ny fampisehoana hiarahana amin’ireo mpanakanto toa an’i General ZN, Bragg’s, Judicah, Sterio, Stephane Berudy, Joscar ary Gam’Star. Hitohy ny alarobia 28 oktobra izany, miaraka amin’i Parish, Rom’s ary Jean Kely. Ny alakamisy 29 oktobra kosa dia hiaka-tsehatra i Mad Max, Joudas ary ireo mpanakanto hafa avy ao an-toerana. Hofaranana ny zoma 30 oktobra ny hetsika, miaraka amin’i Annicette, Jupa & Bango ary Bartax.

Fanatanjahantena sy fampirantiana vokatra

Anisan’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fifaninanana « viavy tsara », dia ny famaranana ny fifantenana izay ho « Miss Mahanoro » izany. Eo ihany koa ny hazakazaka moto ary ny fifaninanana ara-panatanjahantena isan-tsokajiny. Etsy an-daniny, hisy ireo tranoheva hampirantiana ireo vokatra sy asa tanana mampiavaka ny distrikan’i Mahanoro sy ny manodidina, mba hampahafantarana bebe kokoa ny harena sy ny fahaiza-manaon’ireo mpandraharaha ao an-toerana.

Karakarain’ny fikambanana G.O.U.V. (Génération Ouvertes Unies et Visionnaire) ny hetsika, iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka toa ny Yas Madagascar, izay mikendry hatrany ny fanandratana ny kolontsaina malagasy, amin’ny endriny rehetra. Tanjona iaraha-manan’ny roa tonta ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fandraharahana, ary koa ny fanomezana sehatra ireo tanora sy mpanakanto malagasy.

Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tanjona amin’ity andiany fahatelo ity ny hisarihana mpandray anjara miisa 7 000 hatramin’ny 10 000, mandritra ny efatra andro. « Akagny miaro ara !!! » no teny filamatry ny Festival Aro Andrigna andiany fahatelo.

Lire la suite

Articles Similaires