Be voalavo ao an-trano : inona no azo atao ?
Amin'izao fotoam-pahavaratra izao, miakatra an-tanàna ny voalavo, na ny eto an-drenivohitra na ny any ambanivohitra. Manimba zavatra tokoa ireny biby ireny, no sady mety hitondra aretina. Inona àry no azo atao mba tsy hahatamana ny voalavo sy totozy ao an-trano ?
Manadio trano, anatiny sy ivelany
Matetika dia hitady poizim-boalavo avy hatrany no tonga ao an-tsaina raha vao mahatsikaritra fa misy voalavo na totozy mandehandeha ao an-trano. Azo ampiasaina tokoa izany vokatra izany hamono izay voalavo efa tafiditra ao an-trano. Mbola hisy foana nefa ny voalavo any ivelany mety hiditra raha tsy madio tsara ny tanàna.
Tsara raha manokana fotoana mihitsy hanaovana fanadiovana lehibe. Ny ao an-trano, sokirina tsara ny zoron-trano hanalana ireo fako misitrika, indrindra moa ny ao an-dakozia sy ny ao amin'ny trano fisakafoanana. Azo akisaka tsara ny fanaka rehetra mba tsy hisy loto tavela intsony.
-Rehefa mikarakara sakafo dia atao anaty "sachet" ny fako. Tokony mampiasa "sachet" lehibe ihany koa na "sac à poubelle" mba tsy hiparitaka ny fako angonina. Saromana ihany koa ny daba-pako.
-Amporisihana ny rehetra mba tsy hiala ao an-trano na hatory raha tsy efa voadio ny trano, indrindra ireo efitra mety misy potin-tsakafo. Ho an'ny ao an-dakozia, aleo tsy andrasana ela ny fanasana ny vilia sy ny vilany.
-Ampirimina anaty fanaka na vatakely mihidy ny sakafo manta : lafarinina, siramamy, vary, trondro maina, sns. Ny legioma sy voankazo moa dia azo atao anaty vata fampangatsiahana.
Tena ilaina ihany koa ny manadio ny tokontany, indrindra raha misy zaridaina. Esorina ireo lobolobo sy fako.
Mampiasa poizim-boalavo
Mbola hikaroka lalana hidirana ao an-trano hatrany ireo voalavo avy lavitra na dia efa madio aza. Noho izany indrindra, azo atao ny mametraka poizina na fandri-boalavo. Atao amin'ny toerana tsy takatry ny zaza sy tsy andalovan'ny biby taizaina ao an-trano nefa izany.
Raha tsy mahita toerana somary miafina, tsara raha poizina natoraly no ampiasaina. Azo andramana ohatra ny fametrahana "coca" eny amin'ny zoron-trano, na vovoka lafarinina mifangaro karibonetra. Raha manana zaridaina na be voninkazo eo an-tokontany, marobe ireo zava-maniry tsy tian'ny voalavo ny fofony : kininim-potsy, menthe, romarin, sns.