• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Myzen Tv
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fanomezana Saint-Valentin : Inona no tena tsara atolotra ?

13/02/2025 11:13 © Moov.Mg

Fahazarana fanaon’ny mpifankatia ny mifanolotra fanomezana rehefa tonga ny fetin’ny mpifankatia na ny Saint-Valentin. Isan’ireo marika hanehoana ny fitiavana moa ny fanatanterahana izany. Ho an’ireo mbola tsy nahita fanomezana homena ny olon-tiany àry dia ireto manaraka ireto misy karazana fanomezana Saint-Valentin azo atolotra.

Fanomezana Saint-Valentin moravidy nefa tena ilaina

Maro tokoa ireo mihevitra fa ny lehilahy irery ihany no natao hanome fanomezana Saint-Valentin. Amin’ny maha olon-droa ny mpifankatia nefa dia tokony samy manolotra fanomezana na ny lehilahy na ny vehivahy. Tsy voatery mandany vola betsaka moa amin’izany fa azo atao tsara ny misafidy fanomezana moravidy nefa tena ilaina toy ireto manaraka ireto.
Anisan’ireo zavatra tsy lafo nefa ilaina amin’ny andavanandro hoan’ny lehilahy ohatra ny fehikibo, ny akanjo, fitaovana fikarakarana endrika, porte-feuille, sac banane, fitaovana fanaovana bricolage… Raha ny ho an’ny vehivavy indray kosa, ireo kojakoja fikarakarana endrika amam-bika toy ny lokomena, vernis, ranomanitra amin’ny fitoerany kely, akanjo… no isan’ireo zavatra tsy lafo vidy loatra nefa tena azo atao fanomezana Saint-Valentin.

Fanomezana miavaka atolotra amin’ny fetin’ny mpifankatia

Raha maniry hanolotra fanomezana Saint-Valentin ho tsaroan’ny olon-tiana mandritra ny fotoana maharitra, fanomezana miavaka sy tsy be mpanana no tsara safidiana. Ireo « articles personnalisés » no isan’ireo ahitana safidy maro sy miavaka afaka atolotra. Afaka misafidy akanjo, kaopy, ondana, porte-clé… ary asiana teny mamy ho an’ny olon-tiana hanamarihana ny fetin’ny mpifankatia.
Ankoatra ireo moa dia afaka mikaroka fomba hafa hampifaliana ny olon-tiana ho fanomezana ho azy. Azo atao ohatra ny mikarakara ny sakafo tena tiana sy tsy fanao matetika ka io no hiarahana mihinana. Haingoana tsara ny latabatra, asiana labozia sy voninkazo, mba hiavaka tsara io fotoana io. Raha misy ny enti-manana dia azo atao ihany koa ny mandeha amin’ireny « spa » ireny avy eo mandeha trano fisakafoanana, mandeha mitsangatsangana manao « week-end »…

Lire la suite

Articles Similaires