• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Vaovao

OMS : Vehivavy 135.000 isa no ahiana ho fatin’ny homamiadan’ny nono aty Afrika, amin’ny taona 2040

06/02/2025 14:21 © Moov.Mg

Raha tsy misy ny fandraisana fepetra, dia vehivavy miisa 135.000 no tombanana ho fatin’ny homamiadan’ny nono aty faritra Afrika atsimon'i Sahara, amin’ny taona 2040, araka ny nambaran’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS).

Fitiliana mialoha

Azo lazaina ho olan’ny fahasalamam-bahoaka eran-tany ankehitriny ny homamiadan’ny nono. Nahatratra 666.000 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatr’ity aretina ity, tamin’ny taona 2022. Raha mitaha amin’ny kaontinanta hafa, dia ambany ny isan’ny trangana homamiadana vaovao aty Afrika, saingy ambony kosa ny taham-pahafatesana, araka ny tatitra vao navoakan’ny OMS. Isan’ny antony mahatonga izany ny fahavitsian’ny firenena manana fandaharanasa momba ny fitiliana homamiadana mialoha aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Araka io tatitry ny OMS io, dia firenena 5 amin’ny 47 isa aty amin’ny Faritr’i Afrika no manana izany.

Nanao fanadihadiana tombana momba ny fahafahana miady amin’ny homamiadan’ny nono, tany amin’ny firenena 42 amin’ireo 47 ireo ny OMS. Mason-tsivana miisa 6 no notombanana tamin’izany : ny fahaiza-mitarika, ny fitantanana, ny famatsiam-bola, ny isan’ny mpiasan’ny fahasalamana, ny rafitra fampahalalam-baovao momba ny fahasalamana ary ny tolotra ara-pahasalamana. Nivoitra, taorian’ny fanadihadiana, fa misy fahasamihafana be ny zava-misy amin’ny firenena tsirairay. Isan’ny olana hita any amin’ny firenena maro ny tsy fahampian’ny isan’ny mpiasan’ny fahasalamana. Ho an’i Madagasikara manokana, miisa 20 ny dokotera manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana homamiadana, araka ny fantatra.

Ivon-toerana fitsaboana

Olana hita tamin’ny fanadihadiana ihany koa ny tsy fahafahan’ny sarababem-bahoaka mahazo fitsaboana eny anivon’ny ivon-toerana manokana hitsaboana ny homamiadana. Misy mihitsy aza ny firenena no tsy manana ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo mararin’ny homamiadana miankina amin’ny Fanjakana, raha misy kosa no manana hatramin’ny 10 isa. Saika ny sehatra tsy miankina no manana ny 63% amin’ireo ivon-toerana mitsabo ny homamiadana. Ankoatra izay dia firenena 16 amin’ireo 42 no tsy manana fitaovana fanaovana « radiothérapie », raha toa ka firenena 37 no tsy manana sampan-draharaha manao « chimiothérapie ».

Ny homamiadan’ny nono, ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza, ny homamiadan’ny prôstaty, ny homamiadan’ny tsinaibe, no mateti-pitranga indrindra aty amin’ny Faritr’i Afrika. Raha tsy misy ny paikady maika apetraka, momba ny fanaovana fitiliana mialoha sy ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana ho an’ny olona rehetra marary, dia mety hiakatra ambonin’ny 70% ny taham-pahafatesana vokatry ny homamiadana aty Afrika, hoy ny fampitandreman’ny OMS.

Lire la suite

Articles Similaires