Vohémar : omby 277 isa no natolotra ho fanatitra, nandritra ny Jôro Vangy Tany Manintsy
Notanterahina omaly alatsinainy 19 oktobra 2026, tao Ambavan’Iharana, Distrikan’i Vohemar, ny Jôro Vangy Tany Manintsy. Omby miisa 277 no natolotra ho fanatitra, nandritra ity fomban-drazana fanaon’ny Sakalava Njoaty ity, ho fangataham-pitahiana sy firarian-tsoa.
Fangataham-pahasoavana sy firarian-tsoa
Tafavory tao Ambavan’Iharana, Vohemar, ny Njoaty an-jatony maro avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara, anisan’izany ireo taranaka monina any ivelan’ny faritra sy any andafin’ny riaka, mba hanatrika ny Jôro Vangy Tany Manintsy. Niavaka ny lanonana tamin’ity taona ity, satria dia maro dia maro, nahatratra 227 isa ireo omby natolotra ho fanatitra. Ny Dadilahy Mpijoro Bakary Mazava no nitarika ny fanatanterahana ny fomba. Tanjona amin’izany ny hanehoana fisaorana sy fangatahana tso-drano amin’ny Zanahary sy ireo razana, mba hahazoan’ny taranaka fahasoavana sy ho firarian-tsoa.
Fomba amam-panao nolovaina tamin’ny razana ny Jôro Vangy Tany Manintsy, izay anatontosana ny famangiana ny fasan-drazana sy fombafomba ara-kolontsaina nentin-drazana samihafa. Isaky ny efa-taona no anatanterahan’ny Sakalava Njoaty izany, ka tamin’ny taona 2022 no nisy ny andiany farany, talohan’ity lanonana notontosaina omaly ity.
Fanomezana lanja ny kolontsaina malagasy
Tsy fombafomba ara-panahy fotsiny ny Jôro Vangy Tany Manintsy, fa fotoana iray hanamafisana ny firaisankina sy ny fihavanana eo amin’ny Njoaty ihany koa. Maneho ny fahavononan’ny taranaka hitahiry ny fomba amam-panao, sy hampita izany amin’ireo taranaka fara aman-dimby, ny fahatongavan’ireo mpandray anjara marobe.
Isan’ny tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny lehiben’ny Faritra SAVA, Razanantsoa Brassilive David, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Namafisina, nandritra ity hetsika ity, fa manome lanja sy manohana ny kolontsaina malagasy ny Fitondram-panjakana Fanavaozana. « Jôronay, Jôro Masina e! Mazahoa ny meva isika jiaby! », hoy ny teny filamatra nentin’ireo mpandray anjara, izay maneho ny firarian-tsoa ho an’ny rehetra.





