• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahalalana Ankapobeny

Torohevitra hanesorana ny somisika

05/02/2025 14:59 © Moov.Mg

Maro amintsika no efa voan’ny somisika. Misy fotoana izy ireny tena sarotra esorina ka mety hanonitra raha mijanona ao anaty hoditra ela loatra. Ireto manaraka ireto àry misy torohevitra vitsivitsy hahamora ny fanesorana ny somika.

Inona no antony tsy maintsy hanesorana ny somisika ?

Ny somisika dia hazo kely na tsilo kely tafasisika amin’ny hoditra. Matetika dia eo amin’ny tanana, ny tongotra na ao ambany hoho no tratr’izany. Mety miteraka fanaintaina sy fanelingelenana ny fisian’ny somisika. Raha tsy esorina izy io dia mety mampipariaka bakteria eo amin’ilay ratra. Mihombo tsikelikely ka lasa mivonto, mivaramena, mafana, manaintaina sy mamori-nana mihitsy ilay faritra misy azy ka vao maika sarotra esorina. Noho izany, tsy maintsy esorina avy hatrany ny somisika fa tsy tokony mangatak’andro.

Esorina amin’ny « pince à épiler » ny somisika

Ny fampiasana « pince à épiler » no isan’ny fomba fanesorana ny somika. Diovina tsara amin’ny alikaola na amin’ny spray antiseptique aloha ity fitaovana ity. Avy eo atao azon’ny entona avy eo amin’ny kaopy misy rano mamay ilay faritra misy somika mba hampisokatra ny mason-koditra. Sokirina moramora amin’ilay « pince à épiler » amin’izay eo amin’ny lohan’ilay somisika. Atao manaraka ny fitodik’ity farany ny hisintomana azy.

Mampiasa rano mafana sy vaingan-tsira

Raha toa ka eo amin’ny faritra mafimafy eo amin’ny hoditra, toy ny faladia tongotra, no misy somisika dia mampiasa rano mafana sy vaingan-tsira hanesorana azy. Raha ny marina kokoa dia lomana ao anatin’ny rano mafana nasiana vaingan-tsira ilay tongotra. Ilay hafanana dia mampisokatra ny mason-koditra ka ho mora kokoa ny manala ilay somisika amin’ny « pince à épiler ». Rehefa afaka izany dia diovina tsara ilay faritra mba tsy hanonitra.

Mampiasa tanimanga

Akora natoraly fampiasa amin’ny fikolokoloana ny volo sy ny hoditra ny tanimanga noho izy afaka manala ireo loto manentsina ny mason-koditra sy manidy ny mason-koditra. Afaka ampiasaina hanesorana ny somisika ihany koa izy io. Tsotra ny atao. Hosorana tanimanga manify efa nasiana rano kely eo amin’ilay faritra misy somisika. Fonosina film plastique avy eo ary avela hilona tontolo alina. Tokony ho afaka ho azy ilay somisika rehefa maraina.

Lire la suite

Articles Similaires