• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Détente Jardin
Image
Fahalalana Ankapobeny

Sakamalaho : azo ambolena ao an-trano na tsy misy zaridaina àry

30/01/2025 16:48 © Moov.Mg

Zava-maniry manome tsiro sy hanitra ny sakafo efa tsy zoviana amin’ny maro ny sakamalaho. Mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana ihany koa izy io. Fantatrao ve fa azo ambolena ao an-trano ny sakamalaho na tsy manana zaridaina aza ? Araho eto ary ny fomba atao.

Safidiana ny sakamalaho ho atao masom-boly

Ny zavatra voalohany atao raha hamboly sakamalaho ao an-trano dia mila safidiana tsara ny sakamalaho ho atao masom-boly. Mila mafy tsara, tsy lozitra ary misy kiboriny (bourgeon) no vidiana. Tsy mety raha vao misy faritra lozitra na misy lo satria mety tsy haniry.

Homanina ilay sakamalaho ho ambolena

Alohan’ny hambolena ny sakamalaho dia alona ao anaty rano matimaty mandritra ny 24 ora aloha izy io. Manome « hydratation » ilay sakamalaho sy mandrisika ny faniriny ny fanaovana izany. Raha ngeza be ilay faka nosafidiana dia azo zaraina roa. Mila samy misy kiboriny kosa nefa ireo silany tsirairay. Avela ho maina mandritra ny ora vitsy ireo silaka sakamalaho mba tsy ho lo rehefa hambolena.

Safidiana ny fitoerana hambolena azy

Mila « pot » lehibe sy tsy lalina loatra no safidiana hambolena ny sakamalaho. Tokony misy lavadavaka hivoahan’ny rano izy io mba hisorohana ny hamandoana be loatra. Marihana fa rehefa maniry mitsivalana ny sakamalaho ka noho izany dia mila malalaka tsara hitomboany ny fitoerana hambolena azy. Tsy adinoina ny manisy kapila jobo ao ambanin’ilay « pot » mba hitazona ny hamandoana ilain’ilay voly hitomboany.

Homanina ny zezika sy ny tany

Tany lonaka sy ampy rano tsara no tena tian’ny sakamalaho. Afangaro ny tany, ny zezika sy fasika kely mba hisy ireo otrikaina ilain’ny sakamalaho. Rehefa mifangaro tsara ireo rehetra ireo dia atao anatin’ilay « pot ». Tsy atao feno be fa asiana elanelany 5 sm miala ny vavan’ilay « pot » mba hanamorana ny fanondrahana azy.

Hambolena ny sakamalaho

Apetraka mitsivalana eo ambonin’ilay tany hambolena azy ny sakamalaho ka ireo kiboriny no atao mitodika ambony. Avy eo rakofana tany manify, tokony eo ho eo amin’ny 2 na 3sm eo. Izany hoe tsy alevina lalina loatra. Rehefa vita izay dia tondrahana kely hanomezana rano ilay tany nefa koa tsy azo atao tondraka be loatra.

Apetraka eo amin’ny toerana mahavanona azy ilay voly

Rehefa voavoly ary ny sakamalaho dia apetraka amin’ny toerana mahavanona ity voly ity ilay « pot ». Marihana fa ny sakamalaho dia tia toerana mahazo hazavana nefa kosa hazavana tsy mivantana be. Ny tena tsara dia eo amin’ny toerana malomaloka no hametrahana azy. Tsy mahazaka hatsiaka be izy io ka rehefa ririnina dia ampidirina ao an-trano izy mba hitazomana ny hafanana ilainy.

Ny fikarakarana azy amin’ny andavanandro

Mila mandomando hatrany ny tany hanirian’ny sakamalaho nefa koa tsy mahazo be rano be loatra. Rehefa hita fa maimaina ny ilay tany dia tondrahana kely. Mandritra ny fotoana hanirian’ilay sakamalaho dia tapohana zezika kely ny tany mba hampitombo tsara ilay voly. Arahana maso tsara ity farany sao sendra misy bibikely toy ny mpanimba voly mipoitra. Rehefa afaka 8 hatramin’ny 10 volana, rehefa mihamavo sy mihintsana ireo ravina, dia efa afaka jinjaina amin’izay ny sakamalaho.

Lire la suite

Articles Similaires