• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mycosmetics
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba fanamboarana « spray naturel hydratant » ho an’ny volo

29/01/2025 15:31 © Moov.Mg

Vokatra iray manome rano sy manamandina ny volo mandritra ny tontolo andro ny « spray naturel hydratant » entina amintsika eto. Mety amin’ny karazam-bolo rehetra izy ity, indrindra ireo volo makiana sy ny volo olioly. Tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy noho izy tsy misy akora simika mety hankarary.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « spray naturel hydratant »

-Dintin’ny vahona 50ml ;
-Eau florale 40ml ;
-Glycérine végétale 5ml ;
-Conservateur naturel 10 mitete ;
-Huile essentielle 5 mitete (tsy voatery) hanomezana hanitra azy toy ny huile essentielle d’ylang-ylang.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

-Diovina tsara ny tavoahangy kely na « flacon » asiana ny « spray naturel hydratant » rehefa vita. Toy izay ihany koa ireo fitaovana rehetra ho ampiasaina amin’ny fanamboarana azy.
-Arotsaka ao anatin’ilay « flacon » ny dintin’ny vahona sy ny eau florale. Alefa ao manarak’izay ny glycérine végétale.
-Ahontsana tsara mba hifangaro daholo ireo akora rehetra.
-Arotsaka farany ny huile essentielle sy ny conservateur naturel. Ahontsana hifangaro tsara. Vita ny « spray naturel hydratant ».

Ny fomba fampiasana azy

Tsotra ny fampiasana ity vokatra fikarakarana ny volo ity. Eo amin’ny volo madio sy maina tsara no asiana azy. Ahontsana tsara aloha ilay « flacon ». Avy eo asiana kely amin’ity « spray » ity ny felan-tanana. Atao mifampikasoka ny tanana roa avy eo ahosotra avy hatrany eo amin’ny tahon’ny volo tiana homena rano sy hamandinina. Azo tehirizina mandritra ny 1 volana amin’ny toerana mangatsitsiaka ity vokatra ity.

Lire la suite

Articles Similaires