• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Info Santé De Medadom
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo karazana sakafo sy zava-pisotro maharatsy fofom-bava

28/01/2025 16:25 © Moov.Mg

Zavatra iray isan’ny mahamenatra sy tsy mampahazo aina ny fofom-bava ratsy. Maro ireo antony mety mahatonga izany, toy ny aretin’ny nify na tsy fahampian’ny fahadiovan’ny ati-vava. Ankoatra ireo voalaza ireo dia misy ireo karazana sakafo sy zava-pisotro maharatsy fofom-bava. Andeha ary fantarina eto ny santionany amin’izy ireny.

Ny tongolo sy ny tongolo gasy

Ny tongolo sy ny tongolo gasy dia mitahiry singa « soufrés » izay mora trohan’ny rà sy avoakan’ny havokavoka. Ny « souffre » ao amin’izy ireo dia efa ratsy fofona. Rehefa tafiditra ao am-bava sy voarain’ny rà izany dia vao maika mamoaka fofona ratsy. Io fofona io no avoakan’ny ny vava rehefa miteny isika sy avoakan’ny havokavoka rehefa miaina isika.

Ny vokatra avy amin’ny ronono

Ilain’ny vatana ny vokatra avy amin’ny ronono noho izy ireo mitondra otrikaina maro toy ny proteina, vitamina, kalsioma… Ankoatra ireo vokatsoa entin’izy ireo nefa dia voasokajy ho isan’ireo sakafo maharatsy fofom-bava ihany koa izy ireo. Ny vokatra avy amin’ny ronono tokoa mantsy dia mamela sisa mamelona ireo bakteria ao anaty vava. Rehefa mahazo aina ireo bakteria ireo dia mitombo ka lasa maharatsy fofom-bava.

Ny toaka sy ny kafe

Ny toaka sy ny kafe dia zava-pisotro mahamaina ny ati-vava. Raha sotroina be loatra izy ireo dia mampihena ny famokarana rora ka lasa mampitombo ny fofom-bava ratsy. Ankoatra izay moa ny toaka dia mitazona ireo bakteria ao am-bava ho velona mandritra ny fotoana maharitra kokoa. Mbola velona mandritra ny adiny 10 ora ao am-bava aorian’ny fotoana nisotroana toaka ireo bakteria maharatsy fofom-bava ireo.

Ireo torohevitra hiadiana amin’ny fofom-bava

Ny fiborosiana nify sy ny fitsaboana ny nify simba no torohevitra voalohany hiadiana amin’ny fofom-bava. Ankoatra izay dia misy ireo fikafika natoraly azo ampiharina toy ny :
-Fihinanana paoma sy karaoty. Ireo voankazo sy legioma mikarepoka ireo dia mandrisika ny famokarana ny roro ao am-bava. Rehefa ampy ny rora dia voadio tsara ny ati-vava ary afaka ireo bakteria maharatsy fofom-bava ;
-Fitsakoana persil. Ny persil dia manankarena chlorophyle. Ity farany dia miady amin’ny fofom-bava ratsy ary mahamanitra ny ati-vava.

Lire la suite

Articles Similaires