• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Epicurium
Image
Fahalalana Ankapobeny

Kolo endrika : fikafika natoraly mampaniry haingana ny volo

27/01/2025 13:12 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo maniry hanalava volo nefa zara raha mitombo halàvana ny volo ao anatin’ny taona. Maro ireo antony mety mahatonga izany, toy ny toe vakivaky ny loham-bolo ka tsy mety mihalava, tsy ampy sakafo ny volo… Zaraina eto ary ireo torohevitra sy fikafika natoraly mampaniry volo.

Mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana

Mandray anjara lehibe amin’ny fikolokoloana ny fahasalamana sy hatsaran’ny volo ny sakafo hoanina. Raha maniry hanalava volo dia ilaina ny mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana, indrindra ireo mitondra ny otrikaina ilain’ny volo. Anisan’izany ny :
-Proteina izay tena ilaina amin’ny fanirian’ny volo. Ahitana azy ireo ao anatin’ny hena, trondro, atody, voamaina sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono ;
-Vitamina A, C, E sy ireo vitamina B izay miasa amin’ny fanamafisana ny volo. Anisan’ireo sakafo mitahiry izany ny voankazo, legioma, céréales… ;
-Mineraly toy ny fer, zinc sy sélénium izay mandray anjara amin’ny fikoloana sy fanatsara ny fahasalaman’ny volo. Ny hazan-drano, noix, graines sy ireo legioma raviny noho tena manankarena azy ireo.

Mampiasa vokatra natoraly hikarakarana ny volo

Tena ilain’ny volo ny fikarakarana azy amin’ny vokatra natoraly. Maro ireo karazana zavamaniry manampy amin’ny fanomezana sakafo ny volo sy mampaniry azy haingana kokoa :
-Ny menaka zavamaniry toy ny diloilo, menaka oliva, kinana… dia manome sakafo ny volo sy ny hodi-doha ary mampaniry azy. Hosorana isaky ny hanasa loha.
-Ny tongolo dia manankarena soufre, vitamines ary oligo-éléments ilaina amin’ny fahasalamana sy ny fanirian’ny volo. Ahosotra eo amin’ny volo ny tongolo nototoina ary avela hilona 15 minitra eo vao sasana. Atao indroa isan-kerinandro mba hahazoana tsara.

Ireo fikarakarana fanampiny

Mba hampaniry ny volo sy hahalava azy haingana dia misy ireo fikarakarana fanampy tsara atao :
-Horina ny hodi-doha mba hampikoriana tsara ny rà sy hampaniry ny volo ;
-Fihogo na borosy hazo no hibangoana ny volo mba tsy hanimba azy sy hampiparitaka tsara ny « sébum » ;
-Fadiana arak’izay azo atao ny fitaovana mafana toy ny « brushing », « fer à lisser »… noho izy ireo manimba sy mahatapatapaka ny loham-bolo ;
-Tapahana matetika ny loham-bolo mba tsy ho vakivaky sy mba ho salama ny volo rehefa maniry.

Lire la suite

Articles Similaires