• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Journal Des Femmes
Image
Fahalalana Ankapobeny

« Fruit du dragon » : voankazo mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana

24/01/2025 13:48 © Moov.Mg

Mbola vitsy mahafantatra eto amintsika ny « fruit du dragon ». Voankazo iray mamy sy tsara tsiro mitondra otrikaina maro izy ity. Eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny aloha hatreto no tena ahitana azy raha ny eto amintsika manokana. Fa inona tokoa ny vokatsoa azo avy amin’ny fihinana « fruit du dragon » ?

Voankazo manankarena vitamina sy mineraly ny « fruit du dragon »

Ny « fruit du dragon » dia mitondra otrikaina maro ilain’ny vatana toy ny :
-Vitamina C izay miasa amin’ny fanamafisana sy fampitomboana ny hery fiarovana, manatsara ny fandraisan’ny vatana ny fer ary manana fiasa « antioxydantes ».
-Vitamina B izay tena ilaina amin’ny famokaran’ny vatana angovo sy amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny atidoha.
-Mineraly maro toy ny fer, magnésium, calcium… izay singa maro mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny taolana, ny hozatra sy amin’ny famokarana globules rouges.

Ireo vokatsoa entin’ny « fruit du dragon » ho an’ny fahasalamana

Noho ireo otrikaina maro mandrafitra ny « fruit du dragon » dia maro tokoa ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana azy io :
-Fanatsarana ny fandevonan-kanina noho izy manankarena fibra. Ny fibra dia mandrisika ny fiasan’ny tsinay ary misoroka ny fitohanana (constipation) ;
-Miady amin’ny fahanteran’ny hoditra aloha loatra sy miaro ny hoditra amin’ireo « agressions extérieures » noho izy mitahiry « antioxydants » ;
-Mandrindra ny tosidrà sy miaro ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà noho izy ahitana potassium amin’ny tahany ambony ;
-Miady amin’ny havizanana sy manatsara ny « performances physiques » noho izy manankarena vitamina B.

Lire la suite

Articles Similaires