Finday : Anisan'ny fitaovana maloto sady be bakteria indrindra
Itoeran'ny bakteria maro ny finday, ka tena ilaina ny mitandro ny fahadiovana rehefa mampiasa azy. Araka ny valim-pikarohana maro, mbola maloto noho ny "cuvette" amin'ny fitaovana fivoahana mihitsy ny finday.
Raisina foana ny finday sady apetrapetraka etsy sy eroa. Matetika dia tanana tsy misasa mantsy no madray ny finday, sady toerana tsy voadio no asiana azy. Mety hitarika aretina izany raha ny tanana avy nandray finday no mampiditra sakafo any am-bava. Mety harary ihany koa ny hoditra raha misy bakteria tsy zakany avy amin'ilay finday.
Fitandrovana ny fahadiovana
"Nids à bactéries" ny finday. Mba hisorohana ny aretina tsy fanta-piaviana, tena tsara ny mampihatra fepetra fitandrovana ny fahadiovana. Raha avy nilalao finday ohatra dia mikoso-maso avy eo, mety ho tratran'ny "maladie des mains sales".
-Tsara raha diovina matetika amin'ny "désinfectant" ny Finday, isa-maraina ohatra. Azo atao tsara ny mividy ireny fitaovana manokana fametrahana azy ireny, mba tsy ho apetrapetraka fotsiny eny ambony latabatra na fanaka tsy voadio ilay fitaovana. Raha tsy manana fametrahana finday manokana, tokony diovina aloha ny toerana na fanaka ametrahana izany.
-Amporisihana ny fampiasana gel désinfectant rehefa avy mampiasa finday, nefa hikitika zavatra hafa.
-Tsy tokony hilalao finday rehefa misakafo, indrindra moa raha tsakitsaky tsy ampiasana sotro na fourchette. Tsy ara-pahasalamana izany ny filalaovana finday eo am-pisakafoanana.
-Aleo ajanona any am-paosy na any anaty poketra ny finday raha mandeha amina toerana tsy mahazatra, mba tsy hametrapetrahana azy amina toerana mety tsy voadio tsara.
Azo atao tsara ny mivimbina "lingettes" ha hamafana ny finday sy ny tanana matetika. Raha voatery Mandray findain'olona na ireny eny amin'ny "taxi-phone" ireny, tokony manasa tanana amin'ny savony avy hatrany avy eo. Mazava ho azy, tsy tokony omena ny zaza sy ny ankizy ny finday, mba ho fiarovana ny masony tsy ho simba aloha loatra, sady fiarovana azy amin'ny bakteria isan-karazany.