• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Champion Tahiti
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « spaghetti bolognaise »

16/01/2025 15:49 © Moov.Mg

Nahandro iray isan’ny matsiro sy ankafizin’ny maro, indrindra ny ankizy, ny « spaghetti bolognaise ». Izy ity ihany koa no isan’ny fikarakarana « spaghetti » mora atao sy tsy mila masonkarena be loatra nefa dia tena mafilotra. Araho ary ny fomba tsotra fanaovana « spaghetti bolognaise ».

Ireo akora ilaina raha hanao « spaghetti bolognaise »

-Karaoty 2 ;
-Toton-kena 250g ;
-Tongolo 2 ;
-Voatabia 5 ;
-Voatabia amin’ny boaty 1 ;
-Céléri ;
-Tongolo gasy voatoto ½ sotrokely ;
-Spaghetti 500g ;
-Fromazy 250g ;
-Lardon (tsy voatery) ;
-Menaka.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Ampangotrahana ny rano handrahoana ny paty. Rehefa mangotraka mivadibadika dia asiana menaka 1 sotro fihinanana sy sira. Arotsaka ny spaghetti. Rehefa masaka dia tsihifina anaty passoire avy eo ampandalovina rano mangatsiaka. Avela hitsiaka.
Voasana dia sasana tsara ny karaoty. Tetehana en dés. Tetehana toy izay ihany koa ny tongolo, voatabia sy céléri.
Tetehana madinika ny lardon raha mampiasa. Endasina amin’ny menaka kely ny lardon.
Rehefa mendy ny lardon dia arotsaka ny tongolo, tongolo gasy, karaoty, voatabia, voatabia amin’ny boaty, céléri, toton-kena sy ny sira. Asiana rano mandifotra azy dia afangaro. Avela hiketrika eo mandrapaha ritra azy.
Rehefa ritra dia bataina. Rehefa handroso ny nahandro dia loharana ambony lovia ny spaghetti dia asiana ilay fangaro nandrahoana teo. Rarahana fromazy voakiky eo amboniny.

Lire la suite

Articles Similaires