• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actu Santé Fenua
Image
Fahalalana Ankapobeny

Hodi-tava lasa miroraka : akora natoraly manampy hampihenjana izany

14/01/2025 16:40 © Moov.Mg

Rehefa miha antitra isika dia lasa misy kentrona ny tarehy ary lasa miroraka ny hodi-tava. Misy fotoana nefa somary lasa aloha ireo fiovan’ny hodi-tava ireo nohon’ny harerahana, setro-tsigara, fisotroana toaka be loatra… Ireto ary misy akora natoraly tsara ampiasaina mba hampihenjana ny hodi-tava lasa miroraka aloha loatra.

Manao « masque » vahona

Ny vahona dia mitondra vokatsoa maro samihafa eo amin’ny hoditra. Ankoatra ny fanamandinana ny hoditra dia mandaitra amin’ny fiadiana amin’ny kentrona eo amin’ny hodi-tava ihany koa izy io. Izany hoe manampy amin’ny fisorohana sy fanatarana ny fahanteran’ny hodi-tava aloha loatra amin’ny fanenjanana ity farany ny vahona.
Tsotra ny fampiasana azy. Alaina ny ditin’ny vahona ary afangaro amin’ny siramamy 1 sotro fihinanana sy ronono 1sotro fihinanana. Atao mifangaro tsara. Io « masque » io no ahosotra eo amin’ny tarehy efa madio tsara. Avela hilona mandritra ny 10 minitra avy eo somary kosehana moramora manao boribory amin’ny tanana hiala.

Manao « masque » kaokombira

Zavatra iray fahitantsika matetika anatin’ny horonantsary mihetsika ny vehivavy mametraka silaka kaokombira eo amin’ny maso. Tsy hoe manaonao foana izy ireny fa tena miasa amin’ny fanatsarana sy fikolokoloana ny hoditra ity legioma iray ity. Sady mampihenjana ny hodi-tava mba tsy hiroraka izy io no manatanora izany.
Raha hanao « masque » kaokombira dia potserina anaty « mixeur » ny antsasaka kaokombira madio. Avy eo tsihifina anaty « passoire » hiala ny ranony. Io ranony io no ahosotra eo amin’ny tarehy efa nodiovina tsara. Avela ho maina tanteraka eo. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano mangatsiaka. Afaka atao indray mandeha isan’andro izy io mba ahitana vokatra tsara.

Manao « masque » tantely

Akora natoraly manampy amin’ny fanamandinana ny hoditra sy amin’ny fiarovana izany tsy ho mora antitra ny tantely. Noho izy manana fiasa « antioxydantes » dia mandaitra amin’ny fanenjanana ny hoditra lasa miroraka aloha loatra ihany koa izy io.
Raha te hampiasa « masque » tantely hikolokoloana ny hodi-tava lasa miroraka dia afangaro ny tantely 2 na 3 sotrokely, ny ranona voasary makirana ¼ ny sotrokely sy ny menaka oliva ½ sotrokely. Atao mifangaro tsara ireo akora rehetra ireo. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ny tarehy madio. Avela ho maina avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Azo atao indray mandeha na indroa isan’andro ity fikarakarana hoditra ity.

Lire la suite

Articles Similaires