• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Chouette Echoppe
Image
Fahalalana Ankapobeny

« Canapé en cuir » : ireo fomba fanadiovana sy fikolokoloana azy

30/12/2024 15:08 © Moov.Mg

Isan’ireo « canapés » tsara endrika sy lafo vidy tokoa ny « canapé en cuir ». Marina fa akora mafy sy tsy mora simba ny hoditra ampiasaina amin’izy ireny, nefa kosa mila diovina sy kolokoloina tsara izany mba hateza sy tsy ho mora vasoka. Atoro eto ary ny fomba mahomby fanadiovana sy fikolokoloana ny « canapé en cuir ».

Diovina isan’andro ny « canapé en cuir »

Mila diovina isan’andro ny « canapé en cuir » mba tsy hitazona loto toy ny vovoka, hatsembohana, hamandoana… Tsotra ny fanadiovana azy amin’ny andavanandro. Raha malama ilay hoditra dia petapetahana amin’ny lamba mando izany hanesorana ireo loto. Raha toa kosa ka somary marokoroko ilay « cuir » dia kapokapohana kely amin’ny tanana aloha hiala ny vovoka avy eo kosehana moramora amin’ny lamba mando.

Hosorana « crème » na menaka natokana ho an’ny « cuir »

Marihana fa misy karazany maro ny hoditra na « cuir » ampiasaina amin’ny « canapé ». Efa samy manana ny « crème » na menaka na « laits de soin » natokana ho azy izy ireo tsirairay avy. Mila atao ity fikarakarana ity mba hiarovana ny « canapé en cuir » hanomezana sakafo ilay hoditra sy hiarovana azy tsy ho lasa vasoka na hitriatra ho azy. Rehefa avy diovina ilay « cuir » dia osorana ny iray amin’ireo vokatra ireo.

Sasana amin’ny « savon de Marseille » rehefa maloto loatra

Misy fotoana tsy afaky ny lamba mando ny loton’ny « canapé en cuir » raha niangona loatra ireo loto toy ny vovoka, hatsembohana… Mba hanadiovana azy dia mila mampiasa ranon-tsavony ka ny tsara indrindra dia ny « savon de Marseille ». Malefaka kokoa ity savony ity nefa tena manadio tsara ny « cuir ». Kosehana amin’ny lamba nolomana ilay ranon-tsavony ary ny « canapé » avy eo kobanina amin’ny rano madio. Raha tsy manana « savon de Marseille » dia afaka asolo « liquide vaisselle » notapohana rano izany.

Diovina amin’ny vinaigitra fotsy

Akora fampiasa amin’ny fanadiovana fitaovana isan-karazana ao an-trano ny vinaigitra fotsy. Azo ampiasaina hanadiovana ny « canapé en cuir » somary nahazo loto ihany koa izy io. Mandaitra amin’ny fanesorana ny tasin’ny menaka sy fanalana ny fofona ratsy amin’ilay hoditra ny vinaigitra fotsy. Tsotra ny fampiasana azy. Afangaro ny vinaigitra fotsy sy ny rano mafana. Lemana amin’io fangaro io ny lamba malefaka ary kosehana mora amin’izany ilay « cuir ». Rehefa vita izay dia hosorana « lait » na « huile d’entretien » natokana amin’izany ilay « canapé en cuir ».

Lire la suite

Articles Similaires