• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Lissage Bresilien
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Fikafika natoraly hitsaboana ny loham-bolo makiana sy tapatapaka

16/12/2024 16:29 © Moov.Mg

Zavatra iray isan’ireo mampiferotr’aina rehefa manalava volo ny mahita ny loham-bolo makiana sy tapatapaka na vakivaky. Matetika moa dia ny manapa-bolo no fomba haingana indrindra hiadana amin’izy ireny. Ho an’ireo te hanapaka volo sy mazoto mikarakara volo dia atoro eto ny fikafika natoraly tsotra afaka atao hitsaboana ny loham-bolo tapatapaka sy makiana.

Nahoana no mila tsaboana ny loham-bolo makiana sy vakivaky ?

Mety ho sendra ny loham-bolo makiana sy tapatapaka na vakivaky avokoa ny olona manalava volo rehetra, na inona na inona ny karazam-bolony. Maro moa ny antony mety mahatonga io fahasimban’ny volo io, toy ny fampiasana « produits » tsy mifanaraka amin’ny karazam-bolo, ny fampiasana hafanana matetika loatra (fer, brushing) izay mandoro sy mampakina ny volo…
Rehefa lasa tapatapaka sy vakivaky ny loham-bolo dia lasa manimba ny endriky ny volo. Ankoatra izay moa dia lasa sarotra maniry ny volo ary mety hiakatra eny amin’ny taom-bolo ireo vakivaky ireo. Noho ireo antony ireo dia mila tsaboina ny loham-bolo simba. Afaka atao ihany koa ny manapa-bolo mba hisorohana ny vakivaky tsy hiakatra sy ho vao maika sarotra tsaboina.

Ny vokatra natoraly hitsaboana ny loham-bolo vakivaky

Mba hitsaboana ny loham-bolo makiana sy vakivaky dia afaka mampiasa vokatra natoraly vita amin’ny menaka voanio sy vahona. Tsotra ny fomba fikarakarana azy. Sasana tsara ny vahona avy eo silahana roa. Alaina amin’ny sotro ny dintiny. Maka dintin’ny vahona roa sotro fihinanana ary atao anaty lovia jobo kely. Arotsaka ao ny menaka voanio iray sotro fihinanana. Tsara raha tsy ranony loatra nefa koa tsy mivaingana loatra ilay menaka voanio mba ho mora ampiasaina. Afangaro amin’ny sotrokely ireo akora roa ireo mba hitambatra.

Ny fampiasana azy

Volo madio sy maina tsara no ampiasana ity vokatra natoraly hitsaboana ny loham-bolo tapatapaka sy makiana ity. Asiana io fangaro kely io eo amin’ny felatanana ary atao mifampikasoka ny tanana roa mba somary hitsonika ilay menaka. Avy eo osorana azy ny loham-bolo sy ny tahom-bolo. Izany hoe tsy asiana ny hodi-doha. Tandremana kosa nefa tsy atao be hosotra loatra. Atao in-droa isan-kerinandro ity fikarakarana ny volo vakivaky ity.

Lire la suite

Articles Similaires