Sigara sy toaka eo amin'ny vehivavy : Mahasarotra ny fahazoana zaza sy ny fitondrana vohoka !
Manimba ny olon-drehetra ny zava-mahadomelina isan-karazany. Mitondra faisana kokoa nefa ny vehivavy izay mifoka sigara sy Mandray zava-pisotro misy alikaola, indrindra ireo izay mbola ao anatin'ny taonan'ny fiterahana.
Mandeha fadimbolana toy ny vehivavy rehetra ireo mandray zava-mahadomelina. Araka ireo voka-pikarohana maro nefa, tena misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fananana anaka ny fazaran-dratsy.
Mahasarotra ny fipetrahan'ny zaza ao an-kibo
Tsy vitsy ireo vehivavy tsy mety bevohoka noho ny fandraisana zava-mahadomelina. Manimba ny ao anaty mantsy ireo singa ao anatin'ny sigara sy ny alikaola ka ratsy kokoa ny atody miforona ao anaty. Na mihaona amin'ny tsirinaina lahy aza ny atodin'ny vavy dia mety tsy ho lasa zaza.
Raha manana eritreritra ny hiteraka izany, na ho ela na ho aingana, dia tsy tsara mihitsy ny mandray zava-mahadomelina. Mila ferana tokoa ny fampidirana ireo akora manimba amin'ny vatana. Raha te hisotro labiera na divay ohatra ny vehivavy, dia tokony fatra kely indray mandeha isan-kerinandro raha be indrindra. Raha efa mpifoka sigara indray (na 2 sy 3 isan'andro monja aza) dia aleo aloha miala tanteraka vao mieritreritra hametraka zaza.
Manambana ny fitondrana vohoka
Mety mipetraka ihany ny zaza, nefa tsy voatery ho ao anaty tranonjaza. 35%-n'ny vohoka an-tsosokoditra (grossesse extra-utérine) dia avy amin'ny fihinanana paraky, fifohana sigara ary fandraisana zava-pisotro misy alikaola avokoa. Mampihena ny "chances" hiterahana indray nefa ny GEU, indrindra raha voatery tapahina ny "trompe" iray.
Raha efa simban'ny zava-mahadomelina ny vatan'ny vehivavy mitondra vohoka dia mety ho teraka aloha loatra izy (accouchement prématuré) ka voatery mijanona eo am-pandriana mandritra ny volana maromaro (grossesse alitée) mba hitazomana ilay zaza ao an-kibo. Tsy mahagaga ihany koa ny mety fahataran'ny fitombon'ny zaza, na ara-batana na ara-tsaina. Mety ho sembana ny zaza, izany koe tsy ampy na tsy tomombana ny rantsany/ ny taovany, na mety ho tsy hiasa tsara ny atidohany. Mety ho kely aina ihany koa ny zaza ka hijanona tampoka ny fony ao an-kibo (mort in utero), na ho faty raha vao teraka (mort-né).
Mbola mampatahotra kokoa ny vokadratsin'ny zava-mahadomelina raha sanatria ka tsy mahafehy tena ilay reny mandritra ny fitondrana vohoka. Tsy misy fanafody na fombafomba azo atao mantsy hiarovana ny zaza ao an-kibo.