Zazakely malain-komana na tsy mazoto misakafo firy : ahoana no atao ?
Isan’ny zavatra mampiferotr’aina ny ray aman-dreny ny mahita ny zazakeliny malain-komana na tsy mazoto misakafo firy. Efa andramana avokoa ireo karazana sakafo heverina hampazoto homana azy nefa mbola tsy mety mihinana izy. Fa inona ary ny antony mety mampalain-komana ny zazakely ? Ahoana no tokony atao manoloana izany ?
Ireo antony mety mampalain-komana ny zazakely
Maro ireo antony mety mahatonga ny zazakely malain-komana na tsy dia mazoto misakafo toy ny teo aloha.
Raha mbola minono ny zazakely dia mety tsy tiany ilay misotro solon-dronono fa rononon-dreny ihany no tiany. Mety ny tsiro na ny hafanan’ilay solon-dronono ihany koa no tsy mety aminy.
Rehefa manomboka misakafo ny zazakely dia tranga matetika miseho ny hoe malain-komana na tsy dia mety misakafo firy izy. Ny anton’izany mazàna dia satria mbola tsy zatra ilay sakafo vaovao omena azy izy na tsy tiany ny tsiron’izany.
Na mbola minono na efa misakafo ny zaza dia mety tsy te misakafo ihany koa izy raha mbola voky na mbola fenofeno ny vavoniny. Mety malain-komana ihany koa izy rehefa maniry nify, manavy na marary. Mila fantarina arak’izany antony mety tsy mampazoto homana ny zazakely mba hikarohana ny vahaolana mifanaraka amin’izany.
Oviana no tokony hanahy ny ray aman-dreny ?
Na dia tsy mahalany ny solon-dronono na ny sakafo homena azy àry ny zaza dia tsy azo terena izy handany izany. Mety vao maika hahatonga azy tsy hety misakafo ny fanaovana izany satria mety ho heveriny fa fampijaliana azy ny fisakafoanana. Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha toa ka hita fa maharitra loatra ny fotoana tsy mampazo homana ny zazakely na tena tsy mety misakafo mihintsy izy.
Ahoana no atao raha malain-komana ny zazakely ?
Araka ny voalaza teo ambony dia mila fantarina aloha ny antony mety mahatonga ny zazakely malain-komana na tsy mety misakafo firy mihoatra ny teo aloha.
-Ho an’ny zazakely mbola minono dia zarina tsikelikely izy hisotro solon-dronono. Afaka ovaina ihany koa ny solon-dronono omena azy sao ilay tsiron’ilay « marque » omena azy mihitsy no tsy tiany.
-Ho an’ny zazakely efa misakafo dia mila tandremana tsara ny fampidirana ireo karazana sakafo omena azy. Tsy mety tokoa mantsy raha sakafo be tsiro no homena azy voalohany dia lasa tsy mety mihinana zavatra matsatsotsatso, toy ny ovy ohatra, intsony izy avy eo.
-Mila mikaroka « recettes » samihafa amin’ny fikarakarana sakafo ho an’ny zazakely ihany koa ny ray aman-dreny mba tsy hahamora leo azy. Ovaovaina ny tsiro sy ny lokon’ny sakafo omena azy mba hampazoto homana azy.
-Rehefa mamahana ny zazakely somary malain-komana dia tsara raha atao toy ny mampilalao azy izany. Rehefa miramirana izy dia mazoto kokoa misakafo. Raha azo atao dia atao misy zaza na ankizy miaraka misakafo aminy.