Mitohana rehefa avy teraka : fantaro ny antony sy ny tokony atao
Toe-javatra fahita ary mahavoa vehivavy avy teraka maro ny fitohanana na « constipation ». Manelingelina, tsy mampahazo aina ary mety manaintaina tokoa izany. Fa inona ary no antony mampitohana ny vehivavy avy teraka ? Ahoana ny tokony atao manoloana izany ?
Ireo antony mety mampitohana ny vehivavy avy teraka ?
Atao hoe mitohana ny olona iray rehefa sahirana na tsy mahavita mikakà. Mety izany vokatry ny tsy fihidinan’ny maloto ara-dalàna ao amin’ny tsinay na koa hoe mety mafy loatra ny maloto ka sarotra mivoaka. Ny vehivavy bevohoka sy ny reny tera-bao dia isan’ireo matetika mitohana. Maro ireo antony mety mampitohana ny vehivavy tera-bao ka anisan’izany ny :
-Fiovan’ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka sy ny rehefa mampinono ;
-Arerahana vokatry ny fandaniana hery nandritra ny fiterahana sy ny fitaizana ny zazamenavava ;
-Karazana fahasorenana sy fanahiana mikasika ny fitaizana izay manakorontana ny fiasan’ny tsinay ;
-Fisian’ny « hémorroïde » ka lasa matahotra mikakà ;
-Tsy fahampian’ny fanetsiketsehana ny vatana satria mbola tsy afaka mihetsiketsika be dia lasa somary malaina miasa ihany koa ny tsinay ;
-Tsy fahampiana rano sy tsy fahampiana sakafo be fibra.
Ahoana no tokony atao raha mitohana rehefa avy teraka ?
Amin’ny ankapobeny dia tokony efaka mikakà ny vehivavy tera-bao ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fiterahana. Mba hisorohana ny fitohanana sy mba tsy hampaharitra izany dia ilaina ny :
-Misotro rano tsara, indrindra raha mampinono ;
-Mihinana sakafo manankarena fibra, toy ny voankazo, legioma, voamaina, … ;
-Mametra ny fihinanana sakafo be lafarina sy ireo sakafo voahodina ;
-Tsy miaritra kakà fa mandeha avy hatrany vao poritra kely ;
-Mandehandeha kely rehefa avy misakafo mba handrisihana ny fiasan’ny tsinay ;
-Manantona mpitsabo raha tsy mikakà telo andro aorian’ny fiterahana na rehefa mahatsapa tsy mahazo aina vokatr’ilay fitohanana.