Fahasalamana : Fikolokoloana ny nifin’ny zaza sy ny ankizy
Manomboka eo amin’ny faha 6 volany eo ny zaza no maniry nify voalohany. Ireo nify voalohany ireo no atao hoe « dents de lait ». Mila karakaraina tsara ireo nifin’ny zaza ireo mba tsy ho simba sy hanaintaina azy. Araho eto ary ireo torohevitra hikolokoloana ny nifin’ny zaza sy hiarovana izany tsy ho tratry ny areti-nify.
Ferana ny fanomezana sakafo sy zava-pisotro mamy ny ankizy
Miantomboka amin’ny fahazarana ara-tsakafo sy ny sakafo omena ny zaza ny fikolokoloana ny nifiny tsy ho mora simba. Ny voalohany amin’izany dia ny famerana ny fanomezana zava-pisotro sy sakafo mamy azy. Rehefa mangetaheta izy dia rano tsotra no ampisotroina azy, indrindra rehefa alohan’ny hatory. Toy izany ihany koa ny « goûter ». Fadiana araka izay azo atao ny manome « biscuits » matetika, ary indrindra vatomamy, ny ankizy kely. Ny zava-pisotro sy ny tsakitsaky mamy dia manimba ny « émail » nefa ity farany no miaro ny nify tsy ho simba.
Entina zahana any amin’ny mpitsabo nify ny ankizy
Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny areti-nify eo amin’ny ankizy ny fitondrana azy ireny mizaha nify any amin’ny mpitsabo nify indray mandeha na indroa isan-taona. Raha toa ka manomboka misy mandoaka ny nifin’izy ireny dia afaka mitsabo izany mialaho ny mpitsabo nify mba hisorohana ny fihitaran’ny areti-nify. Mandritra ireny fizahana ireny ihany koa no ahitan’ny mpitsabo nify raha ampy sy mety tsara ny fanadiovana ny nifin’ny ankizy sy hanoroany ny tokony atao raha misy tsy mety.
Borosiana tsara ny nify
Maro tokoa ireo ray aman-dreny manao tsirambina ny fiborosiana ny nifin’ny zaza sy ankizy satria noho ny fiheverana hoe mbola hiala ireo « dents de lait » rehetra vao hisolo ny tena nify. Marihana nefa mbola maharitra taona maromaro vao miala tsikelikely ireo nify ireo. Raha tsy borosiana tsara dia mety ho simba sy hanaintaina ny ankizy izany. Noho izany dia mila borosiana tsara ny nifin’ny ankizy, indrindra rehefa avy misakafo maraina sy alohan’ny hatory. Tandremana mba ho afaka tsara daholo ireo ambin-tsakafo sy ny « plaque dentaire ». « Dentifrice » sahaza ny taonan’ny ankizy no ampiasaina ary tsy tsara mampiasa izany ny ankizy latsaky ny 2 taona.