• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Reny&Zaza

Reny tera-bao : ny fikarakarana ny fery aorian’ny « césarienne »

20/12/2024 14:33 © Moov.Mg

Mila karakaraina tsara ny fery aorian’ny « césarienne » mba hisorohana ny « infections » sy mba hahasitrana izany haingana kokoa. Ireto manaraka ireto ary ireo torohevitra tsara arahana hikarakarana ny fery rehefa avy niteraka nididy na natao « césarienne ».

Ny fanadiovana ny fery aorian’ny « césarienne »

Rehefa vita ny « césarienne » ary mandritra ny fotoana hijanonana ao amin’ny hopitaly dia ny mpitsabo na ny mpitsabo mpanampy no mikarakara ny fery sy manao ny « pansement ». Rehefa tonga any an-trano dia mikarakara tena amin’izay ny tera-bao.
Ny fanadiovana ny fery no isan’ny zava-dehibe tsy maintsy atao. Diovina tsara eo amin’ny faritra nodidiana. Savony malefa manana « pH neutre » no ampiasaina. Tsy azo kosehana mafy satria mety hampisokatra ny fery izany. Avy hatrany dia kobanina. Petapetahana mora amin’ny lamba malefaka sy madio na « compresse » rehefa manamaina azy.

Afiriana no sitrana ny fery aorian’ny « césarienne » ?

Mizara roa lehibe ny fery navelan’ny fandidiana « césarienne ». Misy ny fery ivelany ary misy ny fery anatiny. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny 15 andro eo no maina ny zaitra ivelany ary eo amin’ny 6 herinandro eo no sitrana tanteraka ny fery. Maharitra eo ho eo amin’ny 6 volana eo kosa no sitrana ny fery rehetra any anaty.
-Ny fikarakarana fanampiny ny fery mba ho mora sitrana
Rehefa hita fa sitrana ny fery ivelany, izany hoe tsy misy rà, tsy mamoaka ranorano intsony… dia mila horina mba halefaka ny hoditra sy mba tsy hisian’ilay mafimafy sy mikitoatoana iny ny holatra. Tsotra ny fomba atao. Hosorana « huile d’amande douce » na menaka voanio tsy mitapoka eo amin’ny holatra ary horina manao boribory moramora amin’ny tanana. Tsara raha silipo « taille haute » no anaovana mba tsy ho voadodoana ilay fery. Tsy tokony atao hazon’ny hainandro ilay faritra misy zaitra alohan’ny erintaona aorian’ny fandidiana.
-Misy fotoana mety hahatsapa mifandrirotra ao anatin’ny fery. Ny anton’izany dia satria misy sosona maromaro ny fery ao anaty ary samy manana ny fe-potoana hahasitrana azy izy ireo ka izay no mahatonga ilay mifandrirotra kely izay. Afaka tsikelikely izany fa raha tena manaintaina dia afaka mangataka fanafody fampitoniana izany amin’ny mpitsabo.
-Mety hangidihidy ihany koa ny fery aorian’ny « césarienne » satria misy sela vaovao miforona ao amin’ny fery anaty. Rehefa mitranga izany dia tsy azo otrorina fa lasa maharatsy endrika ny holatra. Petahana « glaçon » eo amin’ilay fery efa mba hampitony ilay mangidihidy.

Lire la suite

Articles Similaires