• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lasavonneriedevalerie.Fr
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Fomba fanamboarana savony vita amin’ny vahona

10/12/2024 09:41 © Moov.Mg

Akora natoraly afaka ampiasaina hanamboarana savony ny vahona na « aloe vera ». Azo ampiasaina hanasana ny vatana sy ny volo ity karazana savony ity ary maro ny vokatsoa entiny. Anisan’izany ny fanatsarana ny hoditra sy ny fiadiana amin’ny angadrano. Araho eto ary ny fomba tsotra fanamboarana savony vita amin’ny vahona.

Ireo zavatra ilaina

-Vahona lehibe 2 ;
-Savony Nosy lehibe 1 ;
-Rano.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Sasana tsara ny vahona ary tetehana madinika. Zaraina roa amin’ny antsy ary kikisana hiala ny dintiny.
Ataingina anaty vilany eo ambony afo malefaka ny savony. Potipotehana amin’ny sotro hazo mandra pahazoana fangaro madity. Tapohana rano tsikelikely mba tsy ho may.
Rehefa malemy sy potsitra tsara ilay savony dia arotsaka ao ny dintin’ny vahona.
Kapohana amin’ny fouet mba hitambatra sy hifangaro tsara. Rehefa mahazo fangaro malama tsara toy ny « crème » dia vonona.
Zaraina anaty lasitra io fangaro io avy alahatra eo ambony « plateau » lehibe. Avela hipetraka amin’ny toerana mangatsitsiaka sy maina tsara mandritra ny 2 na 3 andro.
Rehefa maina tsara dia esorina tao anatin’ny lasitra.

Fanamarihana

Afaka ampiana « huile essentielle » ihany koa ireo akora mba hanomezana fofona manitra ilay savony vahona.
Raha tsy te hampiasa savony Nosy dia afaka soloina « soude caustique » sy « huile d’olive vierge » izy io. Amin’izay fotoana izay dia miova kely ny fanamboarana azy. Mampangotraka rano avy eo atao anaty zinga plastika. Arotsaka ao ny « soude caustique » dia aroharohana tsara. Avela hangatsiaka mandritra 50 minitra. Avy eo kapohana ny dintin’ny vahona ary afangaro amin’ny menaka oliva.
Rehefa marihitra tsara dia atsofoka anaty « micro-ondes ». Rehefa izay dia afangaro amin’ilay fangaro voalohany rano sy « soude caustique ». Rehefa mifangaro tsara dia atao anaty lasitra amin’izay ary avela ho maina tsara mba hivaingana. Mila miandry eo amin’ny tapa-bolana fara fahakeliny izay vao tena mivaingana tsara sy afaka ampiasaina ity karazana savony vahona faharoa ity.

Lire la suite

Articles Similaires