Huile de jojoba : mitondra vokatsoa maro ho an’ny tarehy
Maro ankehitriny ireo misafidy ny akora natoraly hikarakarana ny tarehy. Izany dia noho ireo vokatra natoraly mitondra vokatsoa maro ary tsy atahorana hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana toy ireo vokatra simika. Anisan’ireo akora natoraly fampiasa ny huile de jojoba. Andeha ho fantarina eto ireo vokatsoa entin’ity farany ho an’ny tarehy.
Manome rano na « hydratation » ny hoditra
Isan’ireo vokatsoa lehibe entin’ny huile de jojoba eo amin’ny fikarakarana ny tarehy ny fanomezany rano sy hamandinana ny hodi-tava. Miditra tsara anatin’ny hoditra izy io ary miaro ity farany tsy ho makiana. Tsara ampiasaina amin’ny karazana hoditra maina, tsy ampy rano na koa « sensibles ».
Mandritra ny « sébum »
Na dia miendrika menaka aza ny huile de jojoba dia miasa tsara amin’ny fandrindrana ny « sébum ». Ny « sébum » moa dia ilay menaka mivoaka eo amin’ny hodi-tava, indrindra ireo izay manana « peau grasse ». Raha be loatra ny « sébum » eo amin’ny tarehy dia lasa manentsina ny mason-koditra ka mampisy mony. Ny fampiasana huile de jojoba dia mandanjalanja io famokarana « sébum » tsy ho be loatra na tsy ampy.
Miaro ny hoditra tsy ho mora antitra
Manankarena « antioxydants », toy ny vitamina E, ny huile de jojoba. Noho izany dia miaro ny hoditra amin’ireo « radicaux libres » izy ka manakana ny hodi-tava tsy ho mora antitra. Ny fizarana mampiasa huile de jojoba amin’ny fikolokoloana ny tarehy dia manakana ny tarehy tsy ho mora hisy kentrona (rides et ridules). Mandrisika ny famokaran’ny hoditra « collagène » sy « élastine » ihany koa moa ity menaka zavamaniry ity ka miaro ny hodi-tava tsy hiroraka.
Mampitony sy mitsabo ny hodi-tava
Manana fiasa « anti-inflammatoires » sy « apaisantes » ihany koa no huile de jojoba. Tena ilaina izy io mba hampitoniana ny hodi-tava « irritées » na « sensibles » toy ireo mora be mony sy tasy mena. Afaka ampiasaina hampitoniana ny hoditra may ny masoandro ihany koa moa izy io. Raha misy maratra eo amin’ny hoditra dia manampy amin’ny fanasitranana haingana ny fery ny huile de jojoba noho izy manafaingana ny « regénération » ny hoditra.
Ahoana ny fampiasana ny huile de jojoba ?
Tsotra ny fampiasana ny huile de jojoba ho fikarakarana ny tarehy. Sasana tsara aloha ny tarehy ary osorana huile de jojoba kely eo amin’izy mbola mando iny. Somary horina moramora amin’ny rantsan-tanana mba hiditra tsara anatin’ny hodi-tava ilay menaka. Eo amin’ireo faritra maina na « irritées » no tena osorana sy orina tsara.