Fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza : zava-dehibe mandritra ny fiterahana
Mikatona tsara ny vozon’ny tranon-jaza mandritra ny fitondrana vohoka mba hitazomana ny zaza ao-kibo anatin’ny tranon-jaza. Ny fikaikonan’ny tranon-jaza rehefa ho teraka no mampisokatra azy mba hivoahan’ny zaza. Mety mampisy fahasarotana eo amin’ny fiterahana arak’izany raha tsy misokatra ny vozon’ny tranon-jaza. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.
Inona no maha zava-dehibe ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza ?
Ny vozon’ny tranon-jaza dia ny faritra ambany mandrafitra ny tranon-jaza. Izy no manasaraka ny tranon-jaza sy ny fivaviana. Araka ny voalaza teo ambony dia mitazona ny zaza tsy hivoaka ny tranon-jaza izy io mandrapahatongan’ny fotoana fiterahana. Zava-dehibe arak’izany ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza rehefa miteraka ny bevohoka. Raha toa ka tsy misokatra izy io dia voatery mihiditra amin’ny fandidiana hamoahana ny zaza ao an-kibo.
Ahoana ny fizotry ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza ?
Misokatra tsikelikely ny vozon’ny tranon-jaza ary mety manomboka ora maro mialohan’ny fanombohan’ny fiterahana izany. Izany hoe mihamalemy aloha ilay vozon’ny tranon-jaza ary mihamisokatra miandalana isaky ny mikainkona ny tranon-jaza. Rehefa mandroso ny fiterahana dia mihamafy sy mihamatetika ny « contractions » ka izay no mampisokatra tsikelikely ny vozon’ny tranon-jaza.
-Amin’ny dingana voalohany dia misokatra miadana eo amin’ny 0 hatramin’ny 3 sm izy io. Mbola somary mielanelana ny « contractions » amin’io fotoana io.
-Amin’ny dingana faharoa dia misokatra 3 hatramin’ny 7 sm ny vozon’ny tranon-jaza. Mihamatetika sy mihamafy ny fikainkonan’ny tranon-jaza.
-Amin’ny dingana fahatelo dia efa misokatra tsara, feno 10 sm, ny vozon’ny tranon-jaza ka afaka midina ao amin’ny « canal vaginal » ilay zaza ho teraka.
Maharitra hafiriana izany ?
Tsy mitovy ny faharetan’ny fotoana hisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza eo amin’ny bevohoka tsirairay. Eo amin’ny vehivavy vao hiteraka voalohany dia mety maharitra eo amin’ny adiny 10 na 12 ora eo izany. Mety ho vetivety kokoa io fotoana io ho an’ireo efa niteraka. Samy manana ny toe-batany nefa ny vehivavy tsirairay ka mety ho vetivety na ela kokoa ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza.
Inona no zavatra tsapan’ny bevohoka mandritra ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza ?
Mandritra ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza dia mahatsapa marary ao amin’ny kibo sy ny lamosiny ny bevohoka nohon’ny fikainkonan’ny tranon-jaza. Mety mihamafy be izany fanaintainana izany rehefa mihamisokatra ny vozon’ny tranon-jaza. Anisan’ireo fomba manampy hampihenana io fanaintainana io moa ny fanaovana « respiration » atoron’ny mpampiteraka, ny fanafony fampitoniana fanaintainana…