• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme D'Aujourd'Hui
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Fikolokoloana ny tarehy : ireo fahazaran-dratsy mety hanimba ny hodi-tava

22/11/2024 14:55 © Moov.Mg

Mila fikarakarana sy fikolokoloana hatrany ny hodi-tava mba hadio sy salama lalandava. Ankoatra izay dia misy ireo faharazaran-dratsy mila mety hanimba ny tarehy ka mila hialana. Andeha ary ho fantarina eto ny santionany amin’izany.

Manasa tarehy amin’ny savony tsy mety amin’ny hodi-tava

Ilaina amin’ny fikolokoloana ny tarehy ny fanasana tsara izany isan’andro. Tandremana kosa nefa ny vokatra ampiasaina amin’izany. Savony malefaka sy tsy misy singa simika mety amin’ny hodi-tava no ampiasaina. Marihana tokoa mantsy fa tsy mitovy ny vokatra mety amin’ny « peaux sèches » sy ny « peaux grasses ». Mety mampisy tasy, mony na panda amin’ny tarehy ny fampiasana savony tsy mifanaraka amin’ny karazan-koditry ny tena.

Mamafa tarehy amin’ny servieta marokoroko

Fahazarana iray isan’ireo manimba ny hodi-tava ka tokony atsahatra ny famafana tarehy amin’ny servieta rehefa avy misasa. Matetika tokoa mantsy ny servieta fampiasantsika dia marokoroko na matevina ny volony. Ny fizarana mamafa tarehy amin’izy ireny dia mety ahatonga « irritations » na hampivaramena ny hodi-tava, indrindra ireo manana « peaux sèches ». Ny tsara noho izany dia petapetahana mora amin’ny servieta malefaka ny tarehy rehefa manamaina izany. Azo atao ihany koa ny mampiasa « coton » ary tsy faohona ny tarehy petapetahana mora.

Manadino manao « démaquillage »

Dingana iray amin’ny fikarakarana ny tarehy mila atao isan-kariva rehefa alohan’ny hatory ny « démaquillage ». Izy io dia fanadiovana ny tarehy amin’ny « démaquillant » mba hanesorana tsara ireo « maquillages », hatsembohana, loto sy hoditra maty izay niangona teo amin’ny hodi-tava nandritra ny tontolo andro. Mety manimba ny hodi-tava ny tsy fanaovana « démaquillage » na ny fanadinoana matetika izany. Madio tsara ny tarehy rehefa avy atao azy io ka afaka miavao ara-dalàna ireo sela mandritra ny tontolo alina.

Mitaninandro mandritra ny fotoana maharitra

Maro amintsika no tsy zatra miaro ny tarehy amin’ny hainandro rehefa tsara ny andro. Ny taratry ny masoandro nefa dia tena manimba ny hoditra noho izy manafaingana ny fahanteran’ireo sela sy mampitombo ny « risques » hampisy « mélanome ». Ity farany moa dia karazana homamiadan’ny hoditra izay isany mandoza indrindra. Noho izany dia mila arovana tsara ny tarehy rehefa mivoaka ny trano, indrindra rehefa mipoaka ny masoandro. Ny tsara indrindra dia ny manao « crème solaire » ary manao satroka. Raha azo atao dia tsy mijanona maharitra eo amin’ny hainandro.

Lire la suite

Articles Similaires