Fikarakarana vatana : 'Ndao hanamboatra kosmetika natoraly misy sokolà
Be mpankafy tokoa ny hanitra "sokola" rehefa mividy irony "produits cosmétiques" irony. Somary mbola vitsy nefa ireo mpamokatra mampiasa io hanitra io, ary tsy voatery hahita foana izay vokatra ilaina rehefa miantsena iny. Raha tena tianao àry ny sokola, 'ndao ampiasaina hanamboarana kosmetika isan-karazany izany.
Mitondra vokatsoa maro ho an'ny fahasalamana ny sokola, raha tsy hanina be loatra. Efa tafiditra ho anisan'ireo akora mahasoa ho an'ny fikarakarana endrika amam-bika ihany koa izy. Rehefa miasa amin'ny hoditra ny sokola, dia manala loto sy tasy, mahatanora lalandava, manakatona haingana kokoa ireo fery ary mahamandina. Araka izany, tena azo ampiasaina tsara hikolokoloana ny hoditra ny sokola.
Savony manala tasy sady mampalefaka hoditra
Tianao halama sy hadio tsara ve ny hoditrao ? Na ny vatana na ny tarehy ? Andramo àry ny savony misy sokolà.
-Zavatra ilaina : Savon de Marseille (vita amin'ny voanio raha azo atao) 50g, lait d'amande 25 ml, flocons d'avoine iray sotro, sokolà silany iray (chocolat noir à 70%). Mila "moule silicone" ihany koa, kelikely maromaro, hanomezana endrika ny savony.
-Fikarakarana : Kikisana amin'ny "rape carotte"ny savony. Atao anaty lovia jobo avy eo ka atao "bain-marie" mba hampiempo azy. Arotsaka avy eo ny lait d'amandes ary afangaro tsara. Atsonika ihany koa ny sokola. Afangaro ireo rehetra ireo, miaraka amin'ny flocons d'avoine. Alefa ao anaty "moule" ny savony ka andrasana ho maina. Miandry 48 ora vao tena mivaingana tsara ilay fangaro. Azo tehirizina mandritra ny 6 volana eo ho eo ny savony, ary apetraka amin'ny toerana maina tsara.
Lakrema miaro ny hoditra amin'ny hatsiaka
Manamboara "crème de beauté" misy sokolà, mba hiarovana ny hoditra, indrindra rehefa mangatsiaka iny. Tsy sokolà misy siramamy nefa no ampiasaina eto, mba tsy hiraikidraikitra, fa vovoka kakao tsy misy siramamy (cacao amer en poudre). Iray sotrokely ihany no ilaina. Afangaro amin'ny "beurre de karité" 20 g sy "huile de jojoba" 5 g ny kakao. Mila "batteuse" ny fanafangaroana ireo akora ireo, ka tsy maintsy mahazo "mousse" vao vita ny "crème". Atao anaty boaty kely mihidy avy eo, ka tehirizina amina toerana mangatsiatsiaka mandritra ny 3 volana raha be indrindra.
Lokomena natoraly mahamandina molotra
Tsy voatery ho ara-pahasalamana avokoa ireny karazana lokomena hita eny an-tsena ireny, indrindra moa raha tsy any amin'ireo mpamatsy ara-dalàna no mividy izany. Mba hisorohana ireo vokadratsin'ny akora simika isan-karazany, tsara raha manana lokomena natoraly.
-Zavatra ilaina : Sokola mainty (70%) 5g, huile d'avocat/ huile d'olive 15g, Beurre de cacao brut 10 g, cire d'abeille 5g, tioba kely.
-Fikarakarana : Alefa ao anaty baolina avokoa ny akora rehetra ka atsonika tsara. Afangaro tsara ka rehefa lasa rano tsara dia alefa ao anatin'ny tioba kely ary avela hivaingana. 6 volana no azo itehirizana azy, ary atao amin'ny toerana mangatsiatsiaka tsara.
Maska fanadiovana tarehy
Marobe ireo vehivavy zatra manao "masque" mba hanadiovana tarehy. Fangaro roa ihany no ilaina, dia sokolà mainty sy "huile essentielle" azo avy amin'ny voasary. Azo asolo ranom-boasarimakirana ihany koa ilay huile essentielle ka ampiana huile d'olive kely.
Atsonika ao anaty baolina, amin'ny alalan'ny bain-marie, ny sokolà singany iray na roa. Asiana huile essentielle d'orange na voasary makirana sy huile d'olive avy eo. Afangaro tsara ary hosorana amin'ny tarehy efa nosasana tsara.
Mila 20 hatramin'ny 30 minitra eo ho eo ny "pause" hisitrahan'ny hodi-tava ilay masque. Kobanina tsara amin'ny rano matimaty avy eo. Afaka mampiasa savony natokana ho an'ny tarehy raha somary madity ny hoditra noho ilay siramamy amin'ny sokolà.