Ireo sakafo be kaloria, mety hampatavy na hankarary raha hanina betsaka
Ny sakafo no isan’ny mampatavy sy manakorontana ny lanjantsika. Ho anireo maniry hitazona ny habeny sy ireo maniry ny hanena vatana dia misy ireo karazana sakafo mampatavy na be kaloria mila ferana na lanjalanjaina tsara ny fihinanana azy. Araho eto ary ny santionany amin’ireo sakafo mora mampatavy ireo.
Ny « graines » ny sy « oléagineux »
Isan’ireo sakafo mampatavy sy be kaloria ny « graines » sy ny « oléagineux ». Izy ireo moa dia ireo sakafo avy amin’ny zavamaniry izay afaka ahazoana menaka, toy ny oliva, zavoka, voanio, voanjo, amandes, noix… Noho izy mety mitera-menaka izay moa no mahatonga azy mitahiry kaloria amin’ny tahany ambony. Satria moa ny « graisses insaturées » azo avy amin’ireo sakafo ireo no manampy amin’ny fiadiana amin’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà dia tsy azo ajanona tanteraka ny fihinanana azy ireny. Mila ferana fotsiny ihany izany mba tsy hampatavy.
Ny sôkôla
Ny sôkôla dia voasokajy anatin’ireo sakafo be kaloria indrindra nefa mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana. Isan’ireo singa ilaina ao aminy ny « polyphénols » izay mahatonga azy hanana fiasa « antioxydant ». Marihana moa fa ny sôkôla « noir » no resahana eto. Ankoatra izay moa dia manankarena « magnésium » sy fibra izy io ka ilain’ny vatana ny fihinanana azy. Tsy azo atao be loatra kosa nefa fihinanana sôkôla, indrindra ny « chocolat blanc » sy ny « chocolat au lait » satria dia be kaloria tokoa izy ireny. Raha ny « chocolat noir » 70% izao dia mitondra 590 kaloria ny 100g.
Ny tsakitsaky toy « biscuits » sy ny « chips »
Marina fa dia tsara tsiro tokoa ny « biscuits », ary indrindra ny « chips ». Tsy azo hoanina be loatra nefa izy ireny satria dia mitahiry kaloria betsaka tokoa. Raha ny « chips » manokana dia ny tahan’ny sira ao aminy no tena mila ferana. Raha ny « biscuits » kosa dia matetika izy ireny be siramamy sy singa simika maro mora mampatavy. Marihana fa ny « chips nature » 100g dia mitahiry 545 kaloria.
Ny hena voaodina
Tafiditra anatin’ny sokajin’ny hena voaodina avokoa na ny « charcuteries », ny « saucisson », ny « foie gras »… Ireo sakafo ireo dia manankarena tavy avy amin’ny biby fihinana na « graisses animales ». Ny fihinanana azy ireny dia mampiakatra be ny kaloria anaty vatana. Ankoatra izay dia ahitana « acides gras saturés » izay voasokajy anatin’ny « mauvaises graisses » izy ireo sady mitahiry sira betsaka. Arak’izany dia mila ferana tanteraka ny fihinanana hena voaodina satria dia mora mampatavy tokoa izy ireo sady tsy mahasalama.
Ny fromazy
Marina fa manankarena kalsioma sy proteina ny fromazy. Ilaina izany ny mihinana azy ireny satria mitondra singa ilain’ny vatana. Marihana nefa fa be kaloria sy « acides gras saturés » ihany izy ireo. Noho izany dia mila lanjalanjaina tsara ny fihinanana azy raha manena vatana na te hitazona ny habe amin’izao. Azo atao ohatra ny mihinana fromazy 30g isaky ny roa andro fara fahabetsany.
Ny kiendiendy
Ny menaka dia akora matavy ka mazava ho azy fa ny sakafo endasina aminy dia matavy ihany koa. Ireo karazana kiendiendy rehetra dia be kaloria avokoa, na ny trondro, ny hena na ny legioma. Mba hamerana ny fihinanana ny sakafo nendasina dia tsara raha ao an-trano no mikarakara azy ireny tsindraindray ary atao kely ny menaka ampiasaina. Ferana arak’izay azo atao ny fisakafoanana any amin’ny trano fisakafoanana na ny « gargotte » satria ny kiendiendy amin’izy ireny no tena be kaloria sy mampatavy.