• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Patients Organisations
Image
Fahasalamana&Sakafo

Marary an-doha vao mifoha : inona no mety ho antony ?

06/11/2024 16:16 © Moov.Mg

Zavatra mety mitranga tokoa ny hoe vao mifoha maraina dia marary andoha. Sady marary moa no mety manimba ny tontolo andro tokoa moa izany. Fa inona tokoa ary ireo antony mety mankarary ny andoha vao maraina ?

Ny « apnée du sommeil »

Ny olona manana olana amin’ny « apnée du sommeil » matetika dia tratry ity aretin’andoha vao maraina ity. Ny atao hoe « apnée du sommeil » moa dia ny fiatohan’ny « respiration » matetika anatin’ny torimaso. Anisan’ny anton’izany ny fahatsentsenan’ny taovam-pisefoana na koa ny tsy fahavitan’ny atidoha mibaiko tsara ny « respiration ». Raha ny fanazavan’ireo mpikaroka dia mety noho ny tsy fahampian’ny « oxygène », ny fiakaran’ny tahan’ny « dioxyde de carbone » na ny fikorontanan’ny torimaso vokatry ny « apnée du sommeil » no mankarary andoha vao maraina ilay olona.

Ratsy fomba fandry

Antony iray mety mahatonga ny aretina andoha vao maraina ihany koa ny ratsy fomba fandry. Anisan’izany ohatra ny fatoriana amin’ny paozy manindry na mampienjana ny hatoka. Mety sady mankarary andoha izany no miteraka fanaintainana amin’ny hozatra sy ny taolana araky ny voka-pikarohana nataon’ny « neurologue » Dr Pearson. Ny fatoriana miorirana no voalazany fa mitazona ny hatoka sy ny hatoka hahintsy rehefa matory. Mety manampy ihany koa ny fiovana ondana.

Ny fampiadiana nify rehefa matory

Ny « bruxisme » na ny fampiadiana nify rehefa matory dia mety mitarika aretina andoha vao maraina ihany koa. Amin’ny ankapobeny dia mahatonga ny atao hoe « céphalés de tension » ny fampiadiana nify. Mampiasa betsaka ny hozatry ny hatoka, ny valanorano sy ny tarehy ny fikatrokatrohan’ny nify mandritra ny tontolo alina. Raha miparitaka any amin’ny loha izany « tension » izany dia mety mitarika fanaintainana.

Ny tsy fahampiana torimaso

Isan’ireo antony mahatetika mankarary andoha vao maraina ny tsy fahampiana torimaso. Raha toa ka miverimberina foana moa izany tsy fahampiana torimaso izany dia mety hivadika « chronique » ny aretina andoha vao maraina. Misy tokoa mantsy ireo fikarohana manambara fa ny tsy fahampiana torimaso matetika dia manova ny fomba fahatsapan’ny vatana ny fanaintainana. Izany dia mety mampivadika ny aretina andoha mandalo ho lasa areti-mitaiza. Misy fiantraikany mitovy amin’izay ihany koa ny fatoriana ela loatra.

Ny makafoky ny taoka na « gueule de bois »

Rehefa misotro toaka be loatra amin’ny alina dia mampakafoka rehefa maraina. Ny fisotroana toaka, indrindra aorian’ny fotoana tokony hatoriana, dia mety miteraka aretina andoha samihafa sy fikorontanana samihafa eo amin’ny vatana, toy ny faharatsian’ny torimaso, tsy fahampiana rano (déshydratation), fihenan’ny tahan’ny siramamy anaty rà, fihitaran’ny lalandrà… Ankoatra izay dia misy singa mety mitarika aretina andoha atao hoe « tannins » ao anatin’ny taoka. Tsara izany raha ferana ny fisotroana azy ireny, indrindra ny alina.

Lire la suite

Articles Similaires