• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marie Claire
Image
Fahasalamana&Sakafo

Miala sigara : ireo zavatra mitranga eo amin’ny vatana

06/11/2024 13:35 © Moov.Mg

Marihana isan-taona mandritra ny volana novambra ny volana hiadiana amin’ny paraky sy sigara. Efa nambara ombieny ireo vokadratsy ateraky ny fifohana sigara raha tsy hitanisa afatsy ny homamiadan’ny avokavoka, ny fahasemporana, ny fahatapahan’ny lalandrà… Fa inona tokoa moa ireo zava-mitranga eo amin’ny vatana rehefa mijanona tsy mifoka sigara intsony ?

Reradreraka sy fanimpanina amin’ny voalohany

Ny « nicotine » anaty sigara dia manana fomba fiasa manaitaitra (stimulant). Ny fanafoanana azy tampoka amin’ny alalan’ny fijanonana sigara dia mety miteraka havizanana tsy mahazatra. Mety vao maika mitombo moa izany fahatsapana harerahana izany satria lasa miasa be ireo taova manadio ny ao anaty toy ny aty, voa, hoditra… mba hanesorana ireo singa manapoizina nentin’ny sigara hatramin’izay. Manditra ny volana vitsy aorian’ny fialana sigara moa no mety hatsapana izany. Ankoatra izay dia mety mahatsiaro fanimpanina ihany koa amin’ny voalohany satria lasa mahazo « oxygène » tsara ny atidoha, izay zavatra tsy nahazatra azy nandritra ny fotoana nifohana sigara.

Mihatsara ny fikorian’ny rà aorian’ny herinandro vitsy

Raha ny fanazavan’ny Dokotera « hypnothérapeute » Jean-Marc Benhaiem dia miverina ara-dalàna ny tosiky ny rà sy ny fikoriany anatin’ny lalandrà aorian’ny 20 minitra tsy nifohana sigara intsony. Rehefa afaka adiny 8 ora aorian’izay dia mihena amin’ny hatsasany ny tahan’ny « nicotine » sy ny « monoxyde de carbone » ao anatin’ny rà. Rehefa izay dia mihena ny « monoxyde de carbone » mipetaka amin’ny « globules rouges » ary misolo « oxygène » ka mahazo aina kokoa ireo sela anatin’ny vatana. Ny ampitson’ny andro nialana sigara dia niala tanteraka ny « monoxyde de carbone » ary ny afaka ampitso dia efa saika narian’ny vatana avokoa ny « nicotine » niangona tao.

Miha mahazo aina ny havokavoka sy ny taovam-pisefoana

Herinandro vitsy aorian’ny fialana sigara dia manomboka mahazo aina ny havokavoka. Mbola mety mikohoka foana ihany nefa mandritra izany fotoana izany satria mbola ambony ny famokarana rehoka mba hanesorana ireo ambina setroka anatin’ny taovam-pisefoana. Rehefa afaka telo volana dia tsy mikohoka be intsony ary miverina matanjaka sy miasa tsara ny taovam-pisefoana. Ankoatra izay dia mitony avokoa ireo soritr’aretina samihafa ampitomboin’ny fifohana sigara toy ny aretim-bavony, psoariasis, « infections ORL » …

Ireo vokatsoa samihafa rehefa afaka sigara aman-taonany

Mihatsara tsikelikely ny fahasalaman’ny vatana rehefa mitombo ny fotoana nialana sigara. Rehefa afaka sigara aman-taonany dia maro ireo vokatsoa azo avy amin’izany :
-Mihena ny tosidrà, ny fitempon’ny fo sy ny « risques » mety haha tapaka ny lalandrà ao amin’ny fo na ny lalandrà ao amin’ny loha ;
-Mihatsara ny « respiration », mihena tanteraka ny kohoka sy ny sempotra ary « risques » hahazoana aretin’ny havokavoka ;
-Mihamazava ny lokon’ny hodi-tava ;
-Miverina mahare tsiro sy fofona tsara ;
-Mihatsara ny torimaso, mihamatanjaka kokoa ny vatana, mihena ny tebiteby sy ny rarin-tsaina.

Lire la suite

Articles Similaires