Fomba tsotra fanaovana salade niçoise
Rehefa vaninandro mafana toy izao dia sakafo mampangatsitsiaka no tena ankafizin’ny maro. Ny salade niçoise dia sady ara-pahasalamana no matsiro sy maivamaivana tsara hoanina amin’izao andro mafana izao. Atoro eto ary ny fomba tsotra fanaovana azy ao an-trano.
Ireo zavatra ilaina raha hanao salade niçoise sahazan’olona 4
-Thon 200g ;
-Anchois 1 boaty ;
-Poivron maitso 1 ;
-Atody 2 ;
-Oliva mainty 15 ;
-Voatabia 4 ;
-Salady raviny vitsy ;
-Radis 4 ;
-Menaka oliva 4 sotro fihinanana ;
-Vinaigre de vin 2 sotro fihinanana ;
-Moutarde 1 sotrokely ;
-Tongolo 1 lehibe ;
-Sira sy dipoavatra.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Andrahoina anaty rano mangotraka mandritra ny 9 minitra ny atody. Rehefa vita izay dia arotsaka malaky anaty rano mangatsiaka ireo atody ary rehefa mangatsiaka dia voasana. Tetehana efatra.
Etsy andaniny, sasana tsara daholo ireo legioma. Tetehana mizara efatra amin’ny halavany ny voatabia, tetehana lavalava manify ny poivron ary fisahana manify ny oliva mainty sy ny radis.
Tsihifina ny thon sy ny anchois mba hiala ny menaka avy eo somary potehina amin’ny sotro na hoe atao « émiettés ».
Rehefa vonona ireo fangaro rehetra ireo dia alahatra ambonin’ny lovia araka ny endritra hitiavana azy. Ny salady, ny voatabia sy ny poivron ary ny thon sy ny anchois no apetraka voalohany. Ny radis sy ny atody ary ny oliva no atao eo ambony.
Karakaraina amin’izay ny vinegrety. Atao anaty bol ny moutarde, vinaigitra, menaka oliva, ny tongolo notetehana manify, ny sira sy ny dipoavatra. Kapohana amin’ny sotro na sotrorovitra mba hifangaro tsara. Rehefa vita dia rarahana azy io eo ambonin’ny salade niçoise. Afaka aroso avy hatrany.