• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 123Rf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Hafanana tsy zaka : inona no atao mba ho salama tsara ?

05/11/2024 04:18 © Moov

Malemilemy, sempotra, marary an-doha, mandeha ràn'orona, voan'ny gripa, … Marobe ireo aretina na karazana "malaises" mety hitranga rehefa mafana loatra ny andro. Maloto rahateo ny rivotra ka mamparary ireo olona marefo izany, indrindra ny zaza sy ny vehivavy bevohoka. Inona àry ny tokony atao mba hahazo aina tsara sy ho lavitry ny aretina amin'izao andro mafana be izao ?

Misotro rano

Mila misotro rano 1,5 litatra isan'andro ny tsirairay. Mety ho tafakatra 2 litatra izany amin'izao andro mafana izao, indrindra moa raha misy ezaka mafimafy atao. Rano matimaty no mety nefa fa tsy "eau glacé". Ity farany mantsy dia mety hankarary an-doha tampoka sady mampikentrona lalandrà raha iny avy any amin'ny masoandro be iny no sotroina. Tsy dia tsara ihany koa ny ranomboankazo, rehefa misy siramamy, indrindra moa raha misy akora simika. Raha mangetaheta be eny an-dalana, aleo mividy rano toy izay ranomboankazo.

Mihinana voankazo manankarena rano

Anisan'ny mampahazo aina tsara ihany koa ny fihinanana voankazo.Farafahakeliny dia mila mihinana karazana voankazo telo isan'andro. Ireo voankazo manankarena rano no tena tsara hanina : pastèque, melon, frezy, voasary, voasary makirana, sns. Aza misalasala manamboatra "salade de fruits" mba hahamora ny fihinanana voankazo maroloko. Amporisihina ihany koa ny fanamboarana ranomboankazo tsy asiana siramamy.

Misakafo tsara

Mandany aina na ny hafanana na ny hatsiaka be. Mba hisorohana ny fahatoranana tampoka na ny trangan'aretina hafa, tokony misakafo tsara, na ny maraina, na ny atoandro, na ny hariva. Ny maraina dia efa atomboka ny fihinanana voankazo. Tsy azo adinoina ihany koa ny vokatra azo avy amin'ny ronono sy ny sakafo manankarena proteina (toy ny atody). Ny atoandro sy ny hariva, legioma no tena atao betsaka noho ny hena. Tsy tokony atao be menaka sy "épices" ny sakafo hanina. Ahena na ajanona ihany koa ny fihinanana vokatra manaitaitra toy ny sakay sy ny alikaola.

Manao madio tsara

Mavesatra ny loto. Tsy mampahazo aina ny miasa na matory nefa toa mipetapetaka noho ny hatsembohana. Tena ilaina araka izany ny mitandro ny fahadiovana. Tokony mandro hatrany ny maraina sy ny hariva, na ny zaza na ny olon-dehibe. Azo atao tsara ihany koa ny misasa kely amin'ny atoandro. Raha sarotin-katsembohana be, tsara raha manana irony "lingettes" irony, mba hanadiovana tsotsotra ireo faritra mora mamoaka fofona. Diovina foana ny vatana vao tokony hanao "crème" na "déodorant" na izay vokatra manimanitra efa fampiasa.

Misafidy akanjo "coton"

Akanjo maivamaivana izao no tena ilaina. Ny lamba vita amin'ny "coton" no tena tokony anaovana isan'andro, noho izy ireny mitroka ny hatsembohana sady tsy dia mitazona fofona. Aleo ampirimina aloha ireo akanjo vita amin'ny akora hafa, indrindra raha mora mamoaka fofona ny hoditra. Azo atao tsara ny manao akanjo mampiseho sandry na faritra hafa, saingy mila mampiasa "crème anti-UV". Manamainty ny hoditra sady mety hahatonga homamiadana mantsy ny masoandro be loatra. Tsara raha mitondra akanjo somary mafana ihany raha mandeha maraina sy mody hariva. Matetika mantsy dia amin'ny atoandro ihany no tena mafana be, fa midina ny hafanana rehefa alohan'ny amin'ny 8 ora maraina sy aorian'ny amin'ny 4 ora hariva.

Mampiasa fiarovana amin'ny masoandro

Raha voatery mandehandeha noho ny asa aman-draharaha sy ny adidy samihafa, tokony hampiasa fiarovana amin'ny masoandro. Mitondrà elo na manaova satroka isaky ny mivoaka ny trano, mba tsy hamely loatra ny masoandro. Mahazo aina kokoa ny vatana rehefa voaaro kely ny faritry ny loha sy ny tarehy. Na mamonjy lanonana aza dia efa misy ireo satroka mihaja, na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy.

Mampiasa rivotra natoraly

Tsy dia mahasoa ny fahasalamana ny rivotra avoakan'ny "climatiseur" na ny "ventilateur". Marobe ireo mahatsapa fahatsentsenan'ny orona raha vao mahazo rivotra artifisialy. Na mafana aza ny andro dia aleo mitady vahaolana hafa. Azo atao tsara ohatra ny manokatra ny varavarankely rehetra ao an-trano sady manao fitafiana maivana miloko marevaka. Mahomby ihany koa ny fanantonana "drap" lena eo alohan'ny varavarankely. Tsy adino ny mamono jiro sy ireo fitaovana elektrika tsy miasa.

Tsy mijanona amin'ny toerana be olona

Raha mora torana na semposempotra matetika, aleo tsy mihidy amina toerana tery miaraka amin'olona maro. Tokony fidifidiana ny toerana aleha. Raha voatery miditra toerana tery na mandeha fiara fitanteram-bahoaka dia aleo mipetraka amina toerana akaiky varavarankely mivoha.
Raha matsiaro somary fanina dia aleo maka sisiny sy mipetraka moramora. Manampy amin'ny fahazoana aina haingana ny fihinanana vatomamy sy ny fisotroana rano. Azo vahana ihany koa ireo teritery amin'ny akanjo.

Lire la suite

Articles Similaires