Inona no mitranga eo amin’ny vatana rehefa mifoka sigara ?
Mbola anatin’ny volana hiadiana amin’ny paraky sy sigara isika izao. Efa noresahana teto ny zavatra mitranga eo amin’ny vatana rehefa mijanona tsy mifoka sigara intsony. Andeha indray ary ho fantarina ny santionany amin’ireo zava-miseho eo amin’ny vatana rehefa mifoka sigara.
Inona no maharatsy ny fifohana sigara ?
Ny sigara dia mitahiry karazana singa simika eo ho eo amin’ny 4000 eo. Rehefa mifoka sigara izany ny olona iray dia ireo singa ireo no fohany isan’andro. Anisan’ireo singa ireo ny « nicotine » izay miteraka fiankinan-doha. Ankoatra izay dia misy ireo singa hafa vokatry ny fandorana ny sigara ka anisan’izany ny « monoxyde de carbone » sy ny « goudrons » izay fantatra fa mety mahatonga homamiadana. Rehefa fohana ireo singa ratsy ireo dia miparitaka manerana ny vatana. Inona avy ary ireo fiantrakan’ny fifohana sigara eo amin’ny vatana ?
Ireo fiantraikan’ny fifohana sigara eo amin’ny vava, orona, tenda
Rehefa mifoka sigara dia eo amin’ny vava, ny orona sy ny tenda no mandalo voalohany ilay setroka. Maro ireo fiovana sy fanelingelenana aterak’izany rehefa mandeha ny fotoana, toy ny nify mavo, fofom-bava ratsy, feo farina… Etsy andaniny dia mihena tsikelikely ny fahatsapana tsiro sy fofona. Ankoatra izay dia miteraka « processus inflammatoire » ny setro-tsigara. Noho izany raha tsy mifoka sigara mandritra ny taona maro ny olona iray dia mitombo ny « risques » hahavoa ny homamiadana eo amin’ny vava, ny tenda…
Ireo fiantraikany eo amin’ny taovam-pisefoana
Midina ao amin’ny havokavoka ny setroka sigara rehefa mifoka sigara ny olona iray. Maro ny fiantraikan’izany, toy ny kohoka tsy mety afaka (bronchites chroniques), homamiadan’ny havokavoka… Ny taovam-pisefoana dia tandindonin-doza hatrany manoloana ireo singa entin’ny sigara, indrindra ireo vokatry ny fandorana azy. Ny « goudrons » tokoa mantsy dia miraikitra amin’ny « tissus » sy ny « muqueuses » ao amin’ny havokavoka ary izy ireo no isan’ireo antony voalohany mahatonga ny homamiadan’ny havokavoka.
Ireo vokadratsy eo amin’ny fo sy ny lalandrà
Ireo singa anatin’ny setroka sigara dia mandalo anatin’ny havokavoka avy eo miditra anatin’ny rà. Ity farany no atao hoe « sang artériel » izay nofenoin’ny havokavoka « oxygène ». Io rà io avy eo no mikoriana anatin’ny fo. Ny fo indray avy eo no manaparitaka ilay rà ao amin’ny vatana amin’ny alalan’ny lalandrà. Marihana nefa fa ny « monoxyde de carbone » azo avy amin’ny setroka sigara dia lasa mitambatra amin’ireo « globules rouges » izay mitondra ny « oxygène » anatin’ny rà. Raha izany no mitranga dia mihena ny tahan’ny « oxygène » anatin’ny rà. Izany dia mahatonga fihenan’ny « capacités respiratoires », havizanana…