Famotehana ny tontolo an-dranomasina : Vatohara amin’ny taonina no amidy ao amin’ny tsenan’i Toamasina
Singa manan-danja amin'ny rohivoahary an-dranomasina ny vatohara (corail), saingy tandindomin-doza izy ireny amin’izao fotoana izao, noho ny fitrandrahana azy. Manaitra ny tomponandraikitra sy ny olom-pirenena rehetra ny Tambajotra MIHARI (Mitantana Harena an-dRanomasina avy eny Ifotony), ny amin’ny voka-dratsy aterak’izany.
Rohivoahary tandindonin-doza
Araka ny vaovao voarain’ny Tambajotra MIHARI, dia misy fivarotana vatohara amin’ny taonina ao amin’ny tsenan’i Toamasina, ary efa miitatra hatraty an-drenivohitra izany. Noho izany dia tandindonin-doza ny vatohara eto Madagasikara ary ahiana mafy ny hisian’ny fiantraikan’izany amin’ny fiainan’ny mponina manamarona ny ranomasina sy ireo mpanjono madinika. Mety hampihena ny vokatra an-dranomasina mantsy ny fahasimban’ny vatohara ary hitarika ny fahasimban’ny morontsiraka.
Manodidina ny 2 000 km2 ny velarana ahitana vatohara eto Madagasikara, miainga any Antsiranana ka hatrany Toliara, ho an’ny ilany andrefana, ary avy eo Cap d’Ambre mankany Toamasina, ho an’ny ilany Atsinanana. Ao anatin’ny vatohara no monina ny hazan-dranomasina ary ao ihany koa ny akamaroan’izy ireny no manatody. Ankoatra izay, miaro ny sisin-tany amin’ny herin’ny ranomasina ny vatohara, ka mampihena ny fiantraikan’ireo loza voajanahary, toy ny rivodoza. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena, dia tombanana ho mahatratra 29,8 lavitrisa dolara ny tombony azo avy amin’ny vatohara, ka tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fizahantany sy ny jono. Antony mafonja tokony hiarovana ny vatohara izany rehetra izany.
Famerenana amin'ny laoniny
Mitarika fahasimban’ny vatohara ny fanesorana azy ireny amin’ny toerana voajanahary misy azy. Mitarika fanjavonan'ireo karazanjavamananaina izany ary manimba ny tontolo iainana an-dranomasina. Mbola betsaka anefa no tsy mahatsapa ny hasarobidin’ny vatohara, na dia efa misy aza ny tetikasa fiarovana azy ireny, toy ny tetikasa “Sauvetage des récifs coralliens”, izay tanterahina any amin’ny faritra arovana an-dranomasina Ankivonjy, Nosy Hara ary Loky Manambato, ao amin’ny Faritra DIANA. Eo koa ireo hetsika famerenana amin'ny laoniny ny vatohara, toy ny fametrahana vatohara voatr'olombelona ao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Soariake ao Salary Nord 1, Kaominina Ambanivohitra Tsifota, Distrikan’i Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana.
Ankoatra ny fanimbana ataon’olombelona dia isan’ny mamotika ny vatohara, ary ahiana mafy amin’izao fotoana izao, ny fihafanan’ny ranomasina, izay mahatonga ny vatohara hihafotsy, ka mitarika ny fahafatesany.