• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana : Faran’ny volana novambra ny fe-potoana farany hahafahahana misoratra anarana anaty lisitra tovana

06/11/2024 14:44 © Moov

Iray volana sy efatra andro eo sisa dia hiroso amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna isika eto Madagasikara. Hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’izany dia nanome fe-potoana ny Kaomity misahana ny fifidianana (CENI) ho an’ireo izay te hisoratra anarana anaty lisitra tovana. Mialohan’ny faran’ny volana novambra (30 novambra) izao no fara-fanaterana ny antontan-taratasy ho an’ireo izay maniry izany.

Fangatahana isaky ny olona fa tsy vondrona

Nanamarika moa ny avy ao amin’ny CENI fa afaka mangataka izany fisoratana anarana anaty lisitra tovana izany avokoa ny rehetra. Ao anatin’izany ireo efa nisoratra anarana saingy tsy tafiditra tao amin’ny lisitra teo aloha noho ny antony samihafa. Ao anatin’izany ihany koa ireo vao nahafeno 18 taona ka mahafeno fepetra ho mpifidy. « Afaka mangataka ny olona rehetra saingy tsy azo atao ny mangataka isam-bondrona fa tsy maintsy samy manao ny azy tsirairay avy », hoy ny Tonia mpanatanteraka lefitra ao amin’ny CENI, Ravaoharinirina Hanitriniaina. Nanamarika moa ny avy ao amin’ny CENI fa hatramin’ny 3 000 ny isan’ireo taratasy fangatahana raha ny 1 400 teo ho eo ihany no azo noraisina sy noekena.

Manaraka dingana telo

Ho an’ireo izay liana amin’izany fisoratana anarana izany dia dingana telo no mila arahina. Voalohany amin’izany ny fanatonana ny Commission Electorale de District na CED. Manao ny fangatahana ny taratasy manamarina fa tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana no atao eny. Mitondra dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena voamarina sy fanamarinam-ponenana amin’izany. Rehefa izany dia manatona ny Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) ka mangataka didy fanomezan-dalana ny CENI, hampiditra ny anarana ao amin’ny tovan’ny lisi-pifidianana. Miverina any anivon’ny CED kosa ny atao farany ary mitondra ny taratasy nalaina teny anivon’ny TPI. Marihina moa fa hotanterahina manerana ny Nosy ny 11 desambra izao ny fifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires