Famokarana angovo : Vahaolana azo hampidirina eto Madagasikara ny angovo nokleary
Hanatanteraka ny andro natokana ho an’ny nokleary ny Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires (INSTN-Madagascar) miaraka amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony ary ny Ivontoerana momba ny angovo nokleary (IAEA), ny 7 sy 8 novambra ho avy izao. Hotanterhina eny Ankatso sy Ampandrianomby ary ao amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza izany. Mandritra io fotoana io no hamoahan’ity ivontoerana momba ny angovo nokleary ity ny voka-pikarohana momba ny angovo nokleary azo hampiharina eto Madagasikara.
Angovo 100MW hatramin’ny 300MW
Efa manomboka mby an-koditra ny olan’ny angovo avy amin’ny rano sy ny solika. Mbola misy anefa ny zavatra hafa hahafahana mamokatra angovo. Raha ny fanazavana avy amin’ireo mpikaroka dia mety ritra sy tsy tena azo antenaina intsony ny rano izay niankinan-doha hatrizay amin’ny angovo. Lasa olana izany noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo ihany koa ny solika izay manomboka miha-lafo ihany koa ny vidiny. Etsy ankilany, dia mila mampiasa ny zavatra rehetra izay hananana i Madagasikara hahafahana mamokatra angovo hafa ka hahafahana tsy miankindoha betsaka amin’ny rano sy ny solika. « Afaka mamokatra angovo nokleary isika. Fitaovana kely tsy mila toerana midadasika ny réacteur nucléaire modulaire izany ary afaka mamokatra hatramin’ny 100MW ka hatramin’ny 300MW », hoy i Professeur Rajaobelson Joel, mpikaroka ao amin’ny International Atomic Energy Agency (IAEA), isan’ny mpikarakara ihany koa. Raha ny tao anatin’izany fanazavany izany dia mila mamokatra angovo maromaro mifandanja i Madagasikara. Izany hoe karazana angovo maromaro, hahafahana mampihena ny olana raha misy olan’ny angovo iray hafa dia mba tsy miantraika mivantana amin’ny mponina izany.
Vola mitentina 995 miliara ariary
Nanamarika hatrany ity manam-pahaizana ity fa efa mivoatra ihany koa ny teknolojia amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny toerana kely dia mbola azo lazaina ho mora ihany koa ny fametrahana ity fitaovana ity. « Efa lany andro ny centrale nucléaire ngeza be izay sarotra amboarina sy lafo vidy. Efa afaka mametraka réacteur nucléaire modulaire isika ary vola manodidina ny 995 miliara ariary (200 millions euros) dia efa ampy amin’izany », hoy hatrany ny fanazavana. Nomarihin’izy ireo fa tsy misy afatsy io angovo nokleary io no afaka hasolo ny angovo avy amin’ny rano sy ny solika.