• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnn
Image
Vaovao

Fifidiana filoham-pirenena Amerikana : Mitarika vonjimaika i Donald Trump

06/11/2024 12:39 © Moov

Nanome vahana ny fiverenan'i Donald Trump eo amin'ny fitondrana ny Amerikana, raha ireo fironam-bokatra voalohany no jerena. Ireo mpifidy any amin'ny faritra ambanivohitra no tena nifidy io filoham-pirenena teo aloha io. Ireo any faritra an-drenivohitra kosa dia nirona tany amin'i Kamala Harris ny safidin'izy ireo.

Nikasa nitazona ny toerany ihany i Donald Trump tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2020, saingy tsy lany. Resin'i Joe Biden ny tenany. Anisan'ny niampangana azy moa ny fikasana hanova voka-pifidianana tamina firenena iray. Mety hivadika nefa ny tantara amin'ity taona 2024 ity satria toa maniry ny hiverenany eo amin'ny fitondrana indray ny vahoaka.

Isanjato ambony ho an'ny repoblikana

Raha jerena amin'ny ankapobeny ny sarin-tanin'i Etazonia dia miloko mena amin'ny ankapobeny. Tsy mbola vonona handray filoham-pirenena vehivavy tokoa àry ve ny Amerikana ? Ny haino aman-jery amerikana goavana "FOX" dia efa nanonona ny fandresen'i Donald Trump, tamin'ny 9 ora maraina teo ho eeo. Raha ny antontan'isa nomen'ny "The Associated Press" (12h25), 51.1% ny isanjato azon'i Donald Trump, ary manana ny safidin'ny "grands électeurs" miisa 267 izy. Ny an'i Kamala Harris indray dia 224 ny delege nifidy azy, ary manana salan'isa 224% izy. 270 no isan'ny "grands électeurs" enjehina, ka izay mahazo an'io isa io na mihoatra no mandresy.

Ny any Michigan, izay anisan'ireo "Swing State", izany hoe tsy fantatra mialoha ny loko politika tohanany, dia nanome ny fahatohisany ho an'i Donald Trump. 52,6% ny an'ity farany, ary 45,6% ny azon'i Kamala Harris, araka ny tatitry ny CNN. Mbola mitovitovy amin'izay ihany ny vokatra ao Pennsylvanie : 50,8% ny an'i Donald Trump ary 48,1% ny n'i Kamala Harris.


Copyright Image : © CNN

Fiarahabana mialoha

Efa niarahaba sahady an'i Donald Trump ny filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron, araka ny tatitry ny "Le Monde". Vonona hiara-hiasa amin'ny filoha amerikana vaovao ny Frantsay araka izany. Maromaro ihany koa ireo efa naneho ny fiarahabany, ka anisan'izany ny filoham-prenena tiorka Recep Tayyip Erdogan, ny praiminisitra espagnol Pedro Sanchez ary ny minisitry ny raharahambahiny Annalena Baerbock.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny 20 janoary 2025 ny "Inauguration Day" na andro hanatanterahan'ny filoham-pirenena amerikana vaovao ny fianianany. Amin'ny taona ho avy izany vao tena handray ny asany izay filoha lany eo.



Lire la suite

Articles Similaires