Fahasalamana : Efa miparitaka any ambanivohitra ny mpivarotra fanafody tsy manara-dalàna
Tsy eto an-tanàn-dehibe irery ihany no ahitana ny mpivarotra fanafody tsy manara-dalàna. Efa manomboka miparitaka manerana ny Nosy, indrindra any ambanivohitra ihany koa izy ireny amin’izao fotoana izao, hoy ny avy ao amin’ny Groupement Professionnel des Dépositaires des médicaments de Madagascar (GProDMM). Isan’ny olana hikaroham-bahaolana mandritra ny fivoriambe ny 7 sy 8 novambra izao izany raha ny fanazavana hatrany.
Miisa 1 400 ny fitahirizam-panafody
Antony iray miteraka fahasoratana amin’ny fitsaboana ny fihinanana fanafody tsy araka ny tokony ho izy. Eo ihany koa ny tsy fahalalana ny fatra mety amin’ny olona iray. Izany no antony hikarohan’ity fikambanana ity vahaolana satria miroborobo ny mpivarotra fanafody tsy manara-dalàna. Raha ny fanazavana ihany koa dia ny toerana fitahirizam-panafody (dépôt de médicament) irery ihany no mpisehatra ara-dalàna amin’ny fivarotana fanafody any ambanivohitra. Nanamarika moa izy ireo fa mivangongo aty andrenivohitra ny mpivarotra fanafody na ny « pharmacie ». Araka izany dia mbola ady mafy ny famongorana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna ary mbola ho ampitomboina ihany koa ny dépôt de médicament. « Raha ny fanisana farany aloha dia miisa eo ho eo amin’ny 1 400 eo ny dépôt de médicament ara-dalàna. Mbola mafy araka izany ny asa miandry amin’ny fiarovana ny malagasy rehetra amin’ny famatsiana fanafody araka ny tokony ho izy», hoy i Razafimanantsoa Nandrianina, avy ao amin’ny GProDMM.
Fivoriam-be hikaroham-bahaolana
Toy ny fanaon’izy ireo isan-taona dia hiaraka hivory indray ireo mpikambana, ao anatin’io roa andro io. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka moa izany rehetra izany. Araka izany, hiara-hisalahy ny roa tonta amin’ny fikaroham-bahaolana mandritra ireo fotoana ireo. Handinihana ny olana sedrain’ny Dépôt de médicament sy hikaroham-bahaolana amin’izany io fotoana lehibe io. Ankoatra izay anefa dia hisy ihany koa ny fampiofanana sy fampitana fahaiza-manao momba ny resaka hetra ho an’ireo mpisehatra amin’ity asa ity. Handray anjara ihany koa ny Ministera amin’ny alalan’ny Direction des Pharmacies Laboratoires et de la Médecine Traditionnelle (DPLMT). Hampita vaovao sy izay tsara ho fantatra rehetra izy ireo amin’izany.