• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
DIY

Torohevitra hitahirizana ny tongolo tsy ho simba

05/11/2024 15:27 © Moov.Mg

Maro ny tokantrano misafidy manao « provisions » na tonga dia mividy ireo sakafo manta ho handrahoina mandritra ny andro maro. Anisan’ireo sakafo vidiana betsaka amin’izany ny tongolo. Raha tehirizina mandritra ny andro maro nefa ireto farany, indrindra ireo tsy maina tsara, dia mety ho simba raha tsy hay ny mitahiry azy. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra vitsy hitahirizana ny tongolo mba tsy ho lo na haniry.

Apetraka amin’ny toerana maina, maloka sy mangatsitsiaka

Ny fomba tsotra fitehirizana ny tongolo, eny na ireo mbola mando aza, dia ny fametrahana azy ireo eo amin’ny toerana maizimaizina, maina sy mangatsitsiaka. Tandremana tsara mba tsy hiala ny hodiny satria ity farany no miaro azy tsy ho mora simba sy hitahiry tsara ny tsirony. Raha azo atao dia atao anaty « filet » ary ahantona ny tongolo mba hahazo aina tsara sy ho lavitry ny hamandoana. Rehefa mitahiry azy ireo dia fadiana ny mametraka azy akaikin’ny ovy na voankazo masaka. Ireto farany tokoa mantsy mamoaka singa atao hoe « l’éthylène » izay manafaingana ny fahalovan’ny tongolo.

Tehirizina anaty vata fampangatsiahana

Raha manana vata fampangatsiahana dia ao no tsara hitehirizana ny tongolo mba tsy ho mora simba. Raha ireo karazana tongolo mbola mando na tsy maina tsara dia ao anatin’ny « bac à légumes » no hametrahana azy. Ilain’izy ireo tokoa mantsy ny hatsiaka mba hitazomana ny hatsarany. Tandremana kosa nefa mba tsy tratry ny hamandoana satria mety hahamora lo azy ireo izany. Alohan’ny hampidirana ireo tongolo anaty vata fampangatsiahana dia atao anaty boaty vera mihidy tsara izy ireo.

Ampidirina anaty « congélateur »

Vahaolana mandaitra hitehirizana ny tongolo ihany koa ny fampidirana azy anaty « congélateur ». Alohan’ny hampiramana azy ireo dia voasana sy tetehana aloha ary atao anatin’ireo « sacs de congélation ». Hidina tsara mba tsy hiparitaka ny fofony. Sady tsy ho mora lo ireo tongolo no ho voatazona tsara ny tsirony. Mila avoaka ora maro mialoha alohan’ny ampiasana azy kosa nefa izy ireo mba hampiala ny mivaingana.

Lire la suite

Articles Similaires