• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Auféminin.Com
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra ny mikasika ny « hernie ombilicale »

05/11/2024 13:18 © Moov.Mg

Misy karazany maro ny « hernies » ka anisan’izany « hernie ombilicale ». Eo anivon’ny foitra no hisehon’izy ity ary matetika dia tsy marary ary tsy manelingelina ny fisiany. Fa inona tokoa moa no mahatonga ny « hernie ombilicale » ? Ahoana ny fisehony ? Inona ny fitsaboana azo atao ?

Inona no atao hoe « hernie ombilicale » ?

Ny « hernie ombilicale » dia falemen’ny hozatra eo amin’ny kibo izay mandrafitra ny foitra. Io fahalemeny io dia ahafahan’ny ampahany amin’ny tsinay na ny « tissu graisseux » hivoaka ny hoditra ka mampiforona bontsina kely. Matetika dia ny vehivavy bevohoka sy ny zazakely amam-bolana no tena voakasik’ity karazana « hernie » ity na dia mety mahavoa ny olon-drehetra ihany koa aza izy io. Amin’ny ankapobeny dia mikatona ho azy io lavaka hivoahan’ny ampahany amin’ny tsinay na ny « tissu graisseux » eo anivon’ny foitra io ka tsy mila fitsaboana manokana.

Ireo antony mety mahatonga ny « hernie ombilicale »

Maro ireo antony mety mahatonga ny « hernie ombilicale » :
-Efa hatrany am-bohoka noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fikatonan’ny foitra nandritra ny fivoharan’ilay zaza tao an-kibo ;
-Ny fitondrana vohoka satria voatosik’ilay zaza ao am-bohoka foana ny kibo ka nanjary lasa nalemy ny hozatra eo amin’ny foitra ;
-Ny tavy diso tafahoatra izay mampitombo ny vesatra eo amin’ny kibo ;
-Ny kohoka maharitra sy miverimberina matetika ;
-Ny filanjana zavatra mavesatra matetika.

Ireo fomba fisehon’ny « hernie ombilicale »

Eo amin’ny ankamaroan’ireo tranga dia tsy marary ny « hernie ombilicale ». Miendrika bontsina na fivontosana kely eo anivon’ny foitra izy io ary mety mitombo habe rehefa mitsangana na rehefa mampiasa vatana mafimafy. Eo amin’ny olona sasany kosa nefa dia mety manaintaina ny « hernie ombilicale » ary mety mitarika fanelingelenana eo amin’ny fandevonan-kanina.

Ahoana ny fitsaboana azo atao ?

Amin’ny alalan’ny fizahana ny vatana ataon’ny mpitsabo no hamaritana fa misy « hernie ombilicale » tokoa ny olona iray. Mety mila manao « échographie » ihany koa hanamarinana izany sy ahitana ny hasarotan’ilay « hernie ».
-Araka ny voalaza teo ambony dia tsy ilaina fitsaboana manokana ny « hernie ombilicale » satria afaka ho azy izy io matetika.
-Raha misy kosa nefa ny fahasarotana dia mila fandidiana ny fitsaboana azy io. Mifantoka amin’ny fanakatonana ilay hozatra misy lavaka eo anivon’ny foitra moa izany.

Ireo fahasarotana mety mitranga

Raha tsy voatsabo ny « hernie ombilicale » nisy fahasarotana dia mety mitarika :
-« Incarcération » na hoe tery eo amin’ilay lavaka eo anivon’ilay foitra ilay ampahana tsinay na « tissu graisseux ka tsy mety miditra ao anaty kibo intsony ;
-« Strangulation » na hoe voatsindry ilay lalan-drà amin’ilay ampahana tsinay tafavoaka io ka mety mahatonga « nécrose » na fahafatesan’ny sela aminy.

Lire la suite

Articles Similaires