Fitondrana vohoka aloha loatra : Firenena faha-13 maneran-tany i Madagasikara
Manana zo hisafidy momba ny tenany sy ny fahasalamana ara-pananahany ny tanora, hoy ramatoa Mialy Rajoelina, tao anatin’ny lahateniny, nandritra ny fihaonambe momba ny VIH/ Sida eto amin'ny ranomasimbe Indianina, natao teto Madagasikara, vao tsy ela akory izay. Raha jerena anefa ny zava-misy, dia mbola tsy voahaja ny zon’ny tanora hisitraka fanabeazana ara-pananahana feno, ka tsy hahafahany tena mandray fanapahan-kevitra voalanjalanja.
Vohoka aloha loatra
Araka ny antontan’isa navoakan’ny World Atlas, dia firenena faha-13 maneran-tany i Madagasikara, eo amin’ny fitondrana vohoka aloha loatra, hoy i Andriamalala Prisca, mpahay lalàna, mpikambana ao anatin’ny fiaraha-mientana momba ny zo ara-pananahana (Coalition SDSR) ao amin’ny Forum Génération Egalité (FGE) eto Madagasikara. Miroso amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra mantsy ny zatovo malagasy, ka ny 31%-n’ny vehivavy ary ny 40%-n’ny lehilahy no nanao firaisana ara-nofo alohan’ny faha-15 taonany, hoy hatrany ny fanazavany. Mitarika fialana an-daharana an-tsekoly anefa ny vohoka tsy nirina sy aloha loatra, hoy kosa ny nambaran-dRaveloarinanja Marcelle Dominique, mpiara-manorina ny fikambanana Mentor ECCE (Éducation, Civisme, Citoyenneté et Environnement) ary mpikamban’ny FGE ihany koa. Raha ny zava-misy, hoy ity farany, dia tovovavy mpianatry ny lisea 1 na 2 amin’ny 10, no voatery mijanona amin’ny fianarany, noho ny vohoka aloha loatra sy noho ny tsy faneken’ny sekoly handray azy ireny intsony.
Fanabeazana ara-pananahana feno
Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahampian’ny fahalalana no mahatonga ny tanora hanaonao foana. Ny any an-tsekoly no isan’ny tokony hitondra fanabeazana ara-pananahana ho an’ny ankizy sy ny tanora, saingy tsy afaka misitraka fanabeazana ara-pananahana feno (ECS) ny mpianatra eto Madagasikara, indrindra taorian’ny naoty navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny volana novambra 2023. Raha tsiahivina dia voararan’io naoty io ny firesahana sy fanentanana momba ny fomba fanabeazana aizana ao anatin’ny Faritry ny sekoly. Mifanohitra amin’ny ny lalàna 2017-043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana anefa izany, izay milaza fa “Ny isam-batan’olona dia manan-jo hahalala sy hahazo fampianarana eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana.”
Safidy mazava
Etsy an-daniny, ny lahatenin’ny vadin’ny filoham-pirenena, izay reny mpiahy ny andiany faha-20 amin'ny fihaonamben'ny ranomasimbe Indianina momba ny VIH, dia namporisika ny tanora mba hanana safidy voazava. « Ny safidy ataon’ny tanora ankehitriny no mamolavola ny izao tontolo izao rahampitso », hoy izy. Namafisiny fa : « Ianareo no tompon’ny vatanareo. Aza avela hisy olona handray fanapahan-kevitra amin’ny toeranareo », fa indrindra, namporisika ireo tanora rtoa Mialy Rajoelina mba hikaroka fahalalana, hametraka fanontaniana, hiresaka amin’ireo ray aman-dreny sy ireo mpanabe, satria « Ny fahalalana no fitaovam-piadiana tsara indrindra ananareo hiadiana amin’ny VIH ». Tsy ho tanteraka anefa izany, raha tsy mahazo fanabeazana ara-pananahana feno, mifanaraka amin’ny taonany, eny anivon’ny sekoly, ny ankizy sy ny tanora. Izany indrindra no antony mbola anaovan’ny firaisamonim-pirenena, toy ny FGE, haitaky hampiharana ny lalàna velona.
Samy manana andraikitra daholo ny rehetra amin’ny fampisitrahana ny tanora ny zony ara-pananahana. « Raha miara-misalahy isika dia afaka mamorona fiarahamonina ampy fahalalana sy tomponandraikitra », hoy ramatoa Mialy Rajoelina.