• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Hebdomada
Image
Vaovao

Fampivoarana : Vonona ny drafitrasa momba ny fitaterana eto Madagasikara

05/11/2024 16:32 © Moov

Fampivoarana ny sehatry ny fitaterana. Rehefa notanterahina tao anatin’ny herintaona ny fakan-kevitra momba ny famolavolana ny drafitrasa momba ny fitaterana dia nankatoavina androany izany. Nanatanteraka atrikasa ho amin’izany ny Ministeran’ny asa vaventy tamin’ity anio ity, izay niarahany tamin’ny Vondrona Eoropeanina. Ity farany ity rahateo izay sady nanohana hatrany ity asa famolavolana ny drafitrasa ity.

Fitaterana amin’ny lafiny rehetra

Samy hisitraka fampandrosoana ao anatin’ity drafitrasa vaovao ity avokoa ny lafiny rehetra ao anatin’ny fitaterana. Ao amin’izany ny fitaterana andalamby, andranomasina sy andranomamy, an-habakabaka ary indrindra indrindra ny an-tanety. Anisan’ny teboka lehibe nivoitra ao anatin’ity drafitrasa ity ny fanamboarana ny lalana samihafa manerana ny Nosy. Eo ihany koa ny fanarenana ireo izay efa simba sy mila fanavaozana. « Anisan’ny zava-dehibe amin’ity drafitrasa ity ny lalam-pirenena, indrindra eo amin’ny fanavaozana. Eo ihany koa ny famoahana ireo lalana kely mila amboarina isaky ny faritra na distrika. Mbola isan’ny zava-dehibe ihany koa anefa etsy andaniny ny fanamboarana mbola tokony hatao ao anatin’ny 5, 10 ary 15 taona », hoy ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Araka izany, natao indrindra ho tondrozotra amin’ny asa rehetra mbola ho avy ity drafitrasa ity.

Fanampian’ny vondrona Eoropeanina

Anisan’ny mpamatsy vola betsaka indrindra amin’ny sehatry ny fitaterana eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina raha ny fanazavana. Ato anatin’ity drafitrasa vaovao ity dia naneho ny fahavononany hatrany amin’ny fitondrana ny anjara birikiny foana izy ireo. « Efa nandray anjara tamin’ny fanamboarana sy fikojana ny lalana mirefy 2 500km ny Vondrona Eoropeanina. Efa nitentina hatramin’ny 350 tapitrisa Euros ihany koa ny famatsiambola tao anatin’ny asa. Hitohy amin’izay lalana izay hatrany izahay ary vonoan foana amin’ny fanohanana », hoy ny Solontenan’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara sy Kaomoro, Roland Kobia. Tsara moa ny manamarika fa tsy ho an’ny fifamezivezena irery ny lalana fa hitondra fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an’ny firenena ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires