Aretina mamany lava : Vehivavy 22 isa no voadidy tany Androy, nandritra ny volana ôktôbra
Iray amin’ireo Faritra eto Madagasikara, ahitana trangan’aretina mamany lava isan-taona, ny Faritra Androy. Azo tsaboina, amin’ny alalan’ny fandidiana, ity aretina ateraky ny fahasarotan’ny fihetsehan-jaza ity.
Miteraka an-trano
Tombanana ho 4.000 hatramin’ny 5.000 isa isan-taona ny trangan’aretina mamany lava vaovao miseho eto Madagasikara. Ireo vehivavy miteraka an-trano no tena mazàna tratran’ity aretina ity. Antony maro samy hafa no mahatonga ny vehivavy hisafidy izany hiteraka ao an-trano izany, toy ny fahalaviran’ny elanelan’ny fonenana sy ny tobim-pahasalamana, ny fifikirana amin’ny fomba nentim-paharazana, ny tsy fananana ho enti-manana hiterahana eo anatrehan’ny mpitsabo vita fiofanana… Araka ny antontan’isa nomen’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), dia ny 40%-n’ny vehivavy malagasy miteraka ihany no mamonjy tobim-pahasalamana. Vehivavy manodidina ny 1.000 isa isan-taona, tratran’ny aretina mamany lava, no voaray an-tanana eto amintsika, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mihoatra ny 11.770 isa no voadidy, hatramin’ny taona 2010 no mankaty.
Hofongorina tanteraka
Tamin’iny volana ôktôbra iny dia niisa 22 ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava, nodidiana maimaim-poana tao amin’ny hopitaliben’Ambovombe, ka mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika tamin’ny fanatanterahana izany ny UNFPA. Ankoatra ny fandidiana, izay fomba fitsaboana tokana hamerenana amin’ny laoniny ny fahasimbana ao amin’ny lalan-jaza, dia nisitraka tohana ara-tsaina sy kojakoja ihany koa ireo vehivavy ireo, mba hahafahany miatrika ny fiainany indray.
Tanjona ny hampihenana amin’ny antsasany ny trangan’aretina mamany lava, amin’ny taona 2025 ary ny hamongorana izany tanteraka, hatramin’ny taona 2030. 5 taona mahery kely sisa ananan’i Madagasikara, hanatanterahana izany !