• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France Tv
Image
Vaovao

Etazonia - Fifidianana filoham-pirenena : Donald Trump sa Kamala Harris ?

05/11/2024 22:37 © Moov

Ny avy amin'ny repoblikana sa ny demokraty no ho lasa filoham-pirenena faha-47n'i Etazonia ka handimby an'i Joe Biden ? Nifarana tanteraka ny fifidianana, ka ny vokatra sisa no andrasana.

Mitodika any Etazonia ny mason'izao tontolo izao. Samy nanao izay ho afany nandresena lahatra ireo delege mpifidy na "grands électeurs" ireo kandidà roa. Andrasana ny maraimben'ny 6 novambra ny ampaham-bokatra voalohany (amin'ny 1 ora maraina, ora ao Frantsa). Ho an'i Michigan manokana, ho fantatra ny alarobia 6 novambra alohan'ny amin'ny 12 ora atoandro ny vokatra feno vonjimaika, araka ny nambaran'ny CNN. Tsiahivina fa tamin'ny taona 2020 dia 4 andro no niandrasana ny vokatra ofisialy, izay nanononana ny fahalanian'i Joe Biden.
Maherin'ny 240 tapitrisa moa ireo mpifidy voasoratra anarana manerana ireo firenena 50 ao Etazonia. Ny vaton'ireo "grands "électeurs" miisa 538 nefa no hamaritana ny vokatra. Izay mahazo ny safidin'ireo delege miisa 270 farafahakeliny no hahazo ny seza ao amin'ny Maison Blanche.

Miady ny vato

Samy matanjaka ny kandida tamin'ity fifidianana filoham-pirenena ity. Mifanakaiky hatrany mantsy ny isa. Mazava ho azy fa elanelam-bato kely dia kely no hita. Raha ny vinavina faramparany nialoha ny fifidianana, mahazo ny safidin'ny "grands électeurs" miisa 270 i Kamala Harris ary 268 ny an'i Donald Trump. Antontan'isa natolotry ny 538 izy io. Mitovy amin'izany ihany ny vinan'ny The Economist. Ny Daily Mail kosa nefa dia maminavina fa i Donald Trump no hibata ny fandresena, ary tena hisy elanelana be ny vokatra : delege miisa 287 be izao ny an'ny filoha teo aloha, ary 251 ny an'i Kamala Harris. Ampahatsiahivina hatrany fa ireo "Swing States" izay tsy manohana mazava loko iray no tena hamaritra ny voka-pifidianana.
Hita taratra fa samy manantena fandresena ny roa tonta. Araka ny tatitry ny New York Times, any Floride no iandrasan'i Donald Trump sy ny vadiny ny voka-pifidianana, eo anilan'ilay mpanefoefo Elon Musk. Tany an-toerana rahateo ny tenany no nifidy. Ho an'i Kamala Harris indray, nandritra ny androm-pifidianana ofisialy, tsy nitsahatra nanentana ireo mpifidy hanefa ny adidiny ny tenany. Samy manana ny fomba entiny iandrasana ny valim-pifidianana ireo kandida.

Lire la suite

Articles Similaires