Famatsiana herinaratra : Ezahina hotratrarina ao anatin’ity herinandro ity ny toromariky ny Filohampirenena
Tsy nivaha ny olan’ny herinaratra. Nihamafy ny fahatapahan-jiro raha ny tsapa tamin’ny faran’ny herinandro sy ny alatsinainy teo, hatramin’ny androany. Nanoloana izany indrindra dia nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Ambohimanambola ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo sy ny avy ao amin’ny orinasa JIRAMA. Nandritra izany no nanazavana ny fototry ny olana tsy nahafahana nanatratra ny torimariky ny Filohampirenena. Nanamarika kosa ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, Ron Weiss fa ezahina ho vahana ao anatin’ny 4 na 5 andro io olan’ny herinaratra io.
Olan’ny fitaterana
Raha tsiahivina dia 48 ora hatramin’ny 72 ora no nomen’ny Filoham-pirenena hampihenana hatramin’ny 80% ny fahatapahan-jiro, nanomboka ny alarobia lasa teo. Nisedra olana anefa ny orinasa JIRAMA sy ny Ministera ka antony tsy nahatrarana izay tanjona izay. Nanazava ny Minisitra, Jean Baptiste Olivier fa olana goavana nosedraina tao anatin’izay fotoana izay ny tsy fitaterana ny solika mavesatra avy any Toamasina. Raha ny toromarika mantsy dia tokony solika mavesatra hatramin’ny 450 000 litatra isan’andro no ilaina ; izany hoe fiara lehibe miisa 14 hatramin’ny 15 isan’andro no ilaina hitatitra solika avy any Toamasina. « Mila fiara be aman-jatony isan’andro araka izany isika hahafahana mampiodina ireo milina rehetra afaka ampiasaina. Efa nivaha izany amin’izao fotoana izao ka heverina ho tratra ny tanjona tsy ho ela », hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsiahivina dia miankina betsaka amin’ny milina mandeha amin’ny solika mavesatra ny famokarana herinaratra amin’izao fotoan’ny hain-tany izao. Raha ny fanazavana mantsy dia tsy misy afatsy 21MW sisa no vokarin’ny toho-dranon’Andekaleka ary 3 hatramin’ny 5MW ny eny Farahantsana. Ireo roa izay tokony hamokatra hatramin’ny 150MW eo ho eo. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ity fampiodinana ny milina ity.
Tahirin-tsolika 21 000m3
Anisan’ny nandray anjara tamin’ity fidinana ifotony teny Ambohimanambola ity ihany koa ny orinasa Jovena. Ity farany izay mpamatsy solika mavesatra mikasika ity herinaratra ity. Raha ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra dia tsy misy hatahorana hatreto ny tahirin-tsolika « Manana hatrany amin’ny 21 000m3 ny tahirin’ny solika mavesatra ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Mbola hisy 24 000m3 ho tonga ihany koa any amin’ny tapaky ny volana desambra any. Mbola manana tahiry hatramin’ny volana janoary isika izany ka tsy misy ny hatahorana », hoy ny avy ao amin’ny Jovena. Etsy andaniny moa dia efa natsangana ihany koa ny « task-force » izay hiarahana miasa amin’ny mpitandro filaminana. Handamina sy hanala izay mety ho sakatsakana mety hahazo ny fiara be eny amin’ny lalana eny ny antom-pisian’izany.