Antananarivo : Mihoatra hatramin’ny 9 amin’ny fetran’ny OMS ny fahalotoan’ny rivotra
Tazanina amin’ny toerana avo ny tanànan’Antananarivo dia toa rakotra setroka. Migaingaina ny masoandro izay mahatratra hatramin’ny 30°C izany rehefa amin’ny andro atoandro. Maro ny tsy mahazaka. Izany no hahafahana manaporofo fa maloto ny rivotra hiainana amin’izao fotoana izao. Manamafy izany ny fampahafantarana nomen’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro izay milaza fa mihoatra hatramin’ny 9 amin’ny fetran’ny OMS ny fahalotoan’ny rivotra. Vokatry ny doro tanety, ny setroka samihafa sy ny entona maloto samihafa moa no tena voalaza ho anton’izany.
Areti-maso vokatry ny loto
Efa volana maromaro izay no nahatsapana io fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo sy ny afovoan-tany io. Mifanaraka amin’izany dia manomboka maro ihany koa ireo Ray aman-dReny mitondra ny zanany manatona toeram-pitsaboana vokatry ny areti-maso avy amin’ny loto. Antsoin’ireo mpitsabo hoe « conjonctivite allergique » izany aretina izany. Raha ny nomarihin’ny mpitsabo dia io fahalotoan’ny rivotra hiainana io no tena mahatonga ny aretina. « Manodidina ny 10 isan’andro tato ho ato ny zaza tonga ato aminay tratran’io areti-maso io. Eo anelanelan’ny 3 hatramin’ny 5 taona eo ho eo avokoa izy ireo. Mangidihidy, menamena, mandeha ranomaso matetika ary mitarika tai-maso izany fisehon’aretina izany », hoy i Dokotera Norbert Nahary. Ny rivotra maloto sy ny entona isan-karazany tsy zakan’ny maso no mahatonga io aretina io raha ny fanazavana. Etsy andaniny dia ny fandehanana mitsabo haingana mba tsy hifindra amin’ny hafa no tena ilaina. Nanamarika kosa io mpitsabo io fa mila diovina isan’andro amin’ny rano madio ny maso hahafahana miaro azy.
Mety hamparary ny rehetra
Goavana ny fahalotoana eo amin’ny kalitaon’ny rivotra hita teto Antananarivo nandritra ny telo andro raha ny datin’ny 29 oktobra teo no noraisin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro. Nihoatra 5 ka hatramin’ny 9 heny ny fivangongoana amin’ireo singa madinika mandrakotra ny rivotra. Mihoatra ny fetra naroson’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) avokoa izany. Ao anatin’izany ny eo anivon’Ampandrianomby (DGM), Andraharo (UNICEF), Soanierana (CNRE), Ambatobe, Amboditsiry (MADA-AQ) ary Andranomena (Embassy US). « Ao anatin'ny telo andro manaraka, mbola hitohy ho amin’ny fivangongoan’ny fahalotoana ny fomba fiainana. Mety hiharatsy ny kalitaon'ny rivotra ho an'ny rehetra, indrindra amin'ny faran'ny herinandro », hoy ny avy ao amin’ny Météo Madagasikara. Araka izany, mila mitandrina avokoa ny olona rehetra satria mety hitondra takaitra amin’ny fahasalaman’ny rehetra io fahalotoana io.