Fanatsarana fifamoivoizana : Hampitomboana ny isan’ny mpitandro filaminana eny amin’ireo lalam-baovao
Tafiditra ao anatin’ny asan’ny Polisim-pirenena ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny ady amin’ny lozam-pifamoivoizana. Nojerena manokana ny teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka – Ivato sy ny eny Tsarasaotra – Ivato, hanatsarana ny fomba fiasa.
Ampiana ny isan’ireo Polisy
Nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny avy ao amin’ny Prefektioran’ny Polisy, taorian’ny fidianana ifotony teny amin’ireo lalana ireo. Nilaza ny Commissaire Principal de Police Rafalimanana Alain Adonis, Talem-paritra ny filaminambahoaka Analamanga, fa ho ampitomboana ny isan’ireo Polisy miasa eny amin’ireny lalana ireny. « Noraisina izany fanapahan-kevitra izany, mba hahafahana manamafy ny fiarovana ireo mponina manodidina ireny lalana ireny », hoy ny fanazavana. Isan’ny nanaitra ny saina, ka antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, ny trangana lozam-pifamoivoizana maro tao anatin’ny roa volana sy tapany. Raha ny fanazavana mantsy dia miisa 6 ireo lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona, teny amin’ireo lalana ireo, hatramin’ny volana janoary 2026. Mitovitovy amin’izany, ihany koa, raha ny fanazavana ny fahasimbana fitaovana.
Natsaraina ihany koa ny fitaovana ho ampiasain’ireo Polisy ireo, raha ny fanazavana, toy ny « sifflet » sy ny akanjo mamirapiratra, izay ho ampiasaina amin’ny alina. Etsy ankilany moa dia hamafisina ny fahaiza-mandrindran’ireo Polisy eny amin’ny lalana, mba hifanaraka amin’ny fahalalan’ireo mpampiasa lalana.
Fanabeazana ny olona
Ankoatra ireo mpandrindra ny fifamoivoizana ireo anefa dia efa napetraka ihany koa ireo Polisy hanampy ny olona, hahay hampiasa lalana. Misy ny fanabeazana sy ny fampianarana samihafa, hatolotra ireo mpampiasa lalana ireo. Isan’izany, ny fomba fiampitana ny arabe, ny fitantanana ny ankizy ary ireo karazana fitandremana samihafa. Manampy izany rehetra izany, ny fampianarana ny mpamily, moto, fiara, bisikileta, ny amin’ny fanajana ireo hafainganam-pandeha, mipetraka manerana ny lalana.
Isan’ny nojerena manokana ihany koa ireo, toeram-pivarotana alikaola, eny amin’ireo sisin-dalana. Nilaza ny kaomisera fa handraisana fepetra ireo, minia mivarotra, kanefa tsy nahazo alalana amin’izany. Tafiditra ao anatin’izany, ireo toeram-pivarotana maharitra, ka miteraka fivangongoan’olona amin’ny toerana iray, ary mety hitarika amin’ny loza, raha misy tsy fitandremana.




