• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : Minisitra afaka manome vokatra eo no ho eo no hotendrena

16/03/2026 14:53 © Moov.Mg

Tsy hitanisa asa fotsiny, fa hametraka vokatra hotratrarina. Io no isan’ny notsipihin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Jeannot Ruffin, androany, tao anatin’ny lanonana nanamarihana ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny praiminisitra teo aloha, Rajaonarivelo Herintsalama.

Fanatanterahana ny Pôlitikan’ny Fanavaozana

Tontosa androany 16 martsa 2026, teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, ny fifamindram-pahefana teo amin'ny praiminisitra teo aloha, Rajaonarivelo Herintsalama, sy ny praiminisitra vaovao, Rajaonarison Mamitiana Jeannot Ruffin, izay vao notendren’ny filohan’ny Fanavaozana omaly 15 martsa 2026. Tamin’izany no nilazan’ny praiminisitra vaovao fa zavatra roa no andrasana aminy, dia ny hanatanteraka tsara ny Pôlitikan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny hampiray hina ny malagasy rehetra manerana ny lafy valon’ny Nosy sy manerana izao tontolo izao. Hiompana amin’ireo, araka izany, ny asa hotanterahin’ny governemanta hotarihiny.

Nisy moa ny tetiandro izay natolotra ny Vondrona ho fampandrosoana ny faritra Atsimon'i Afrika (SADC), izay mamaritra ireo dingana sy asa hotanterahan’ny Fitondrana Fanavaozana, ao anatin’ny 24 volana. Nilaza ny tsy hivoana amin’izany ny praiminisitra vaovao.

Governemanta « choc-choc »

Minisitra tonga dia afaka manome vokatra eo no ho eo no hotendrena, satria « Miandrandra vokatra ny malagasy, efa maika satria efa ela loatra izay niandrasana izay », hoy ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Notsiahiviny ireo mason-tsivana nisafidianan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Randrianirina Michaël azy, dia ny fananana fahitsiana sy fahasahiana. Dia ireo mason-tsivana ireo ihany koa, araka ny fanazavany, no ho entina mifantina ireo minisitra handrafitra ny governemanta ho avy eo.

Raha ny namaritany azy, dia governemanta « choc-choc » no hajoro, hanatratra vokatra voafaritra mazava, izay hotsarain’ny vahoaka. « Tsy « indicateur d’activités » fa « indicateur de résultats », hoy izy no hanaovan’ny vahoaka malagasy ny tombana amin’ny fomba fiasan’ireo ho minisitra voatendry eo. Dingana manaraka, araka izany, ny fanendrena ireo minisitra, hiara-hanatanteraka amin’ny praiminisitra vaovao ny pôlitikan’ny fanavaozana ny Repoblika.

Lire la suite

Articles Similaires