Anatirova : Natomboka ny fandrodanana ny "colisée", ho famerenana ny hasin’ny Tantara
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fandrodanana ny Kianja Masoandro, na ny « colisée », izay fotodrafitrasa mampiady hevitra, najoro ao Anatirova, araka ny fampahafantarana navoakan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, androany 13 martsa 2026. Efa nisy moa ny didim-pitsarana nivoaka, izay mandidy ny fandrodanana izany fotodrafitrasa izany.
Fampiharana ny didim-pitsarana
Araka ny fangatahan’ireo mpitory sy ho fampiharana ny didim-pitsarana laharana faha 606, tamin'ny 18 febroary 2026, izay mandidy ny fandrodanana ny Kianja Masoandro ao Anatirova, dia nanome alalana ny hanombohana ny fandrodanana ity fotodrafitrasa ity ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Araka ny fanazavana azo, dia « izao no andro mifanentana hirosoana amin'ny fanombohana ny fandrodanana io kianja io », hoy ireo mpitory, izay nifampiresaka tamin’ny ministera momba ny fampiharana io didim-pitsarana efa nivoaka io. Raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia azo ampiharina avy hatrany io didim-pitsarana io, na dia mbola tsy didy raikitra aza.
Fanajana ny fomban-drazana
Amin’ny maha-manan-kasina ny eny Anatirova, dia tsy azo ataotao faoana ny fanorenana na fandravana eny an-toerana, fa misy fomban-drazana tsy maintsy arahina sy hajaina. Ho fanajana izany fomba izany indrindra dia nirosoana androany ny fanatanterahana ny vava asa, hanamarihana ny ampahan'ny fandrodanana, rehefa nomen’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny alalana hanatanterahana izany. Nambaran’ny fampitam-baovao fa nitondra vadin-tany ireo mpitory, nandritra ny asa rehetra natao.
Araka izany, fanombohana ihany ny androany, amin’ny famerenan-kasina ity toerana manan-tantara ity. Ny fanohizana ny fandrodanana dia hatao aorian'ny fivorian'ny komity iraisan'ny Andrimpanjakana sy ireo minisitera voakasika ary ireo ankolafin'ny mpitory. Ankoatra ny ara-pomban-drazana mantsy dia tsy maintsy dinihina ihany koa ny lafiny ara-teknika, satria saro-pady iny toerana ambony amin’ny tanànan’Antananarivo iny, noho izy atahorana hihotsaka.




