• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clam
Image
Vaovao

Fampanarahana fenitra : Laboratoara 2 ihany no hahafahana manao fitiliana ireo vokatry ny orinasa eto Madagasikara

30/10/2024 15:24 © Moov

Anisan’ny olana sedrain’ny mpandraharaha eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa hahafahana manao fitiliana ireo vokatra ka hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Raha ny fanambarana avy amin’ny Consortium des Laboratoires Agroalimentaires de Madagascar (CLAM) dia miisa 2 fotsiny ihany ny laboratoara hahafahana manatanteraka ny fitiliana ireo vokatry ny orinasa eto Madagasikara.

Fiantraikany ratsy amin’ny varotra iraisampirenena

Miisa amanjatony ny laboratoara misy eto Madagasikara. Ao anatin’izany ireo laboratoara eny anivon’ireo hôpitaly samihafa. Eo ihany koa anefa ireo laboratoara eny anivon’ny orinasa isan-karazany. Ny asan’ireto farany raha ny fanamarihana dia natao indrindra hitiliana ireo vokatra alohan’ny hivarotana izany eny anivon’ny tsena. Olana’ireto mpandraharaha ireto ao anatin’izany ny tsy fahampian’ireo laboratoara hampitoviana ny fenitry ny vokatra amin’ny iraisampirenena. « Lasa tena sarotiny amin’ny kalitaon’ny vokatra ny mpandray ny entana any ivelany amin’izao fotoana izao. Mila hampifanarahana amin’ny fenitra iraisampirenena ny vokatra ary misy ny mangataka laboratoara nanaovana ny fitiliana mihitsy. Voatery mandefa ireo entana any ivelany hotiliana araka izany ny mpandraharaha ka mampiakatra ny vidiny izany avy eo », hoy ny Filohan’ny CLAM, Andriamalala Rajoelisoa. Voafetra araka izany ny fahafahana mivarotra noho io tsy fahampian’ny toerana hanaovana fitiliana io.

Mila fotodrafitrasa sy famatsiam-bola

Mila fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny fenitra iraisampirenen sy famatsiana arabola manokana ny fahazoana ny fankatoavana iraisampirenena eo @ laboratoara. Nikaroka vahaolana amin’izay indrindra ny CLAM ka nikarakara ny andro natokana hoan’ny laboratoara etsy anivon’ny Akademia Malagasy ny 6 novambra izao. Miisa 40 ny laboratoara mikambana sy handray anjara amin’izany. « Tsy ampy ny fotodrafitrasa ka rehefa miara-dalana ny laboratoara dia mety ho mora kokoa ny manangana ny laboratoara hahafahana manao ireo fitiliana arakaraka ny sehatr’asa », hoy hatrany ny fanazavana. Izany indrindra no anton’ny hetsika hahafahana mampitombo io isa io. Hampiakarana ny feo ihany koa ny hetsika ho ren’ny Fitondram-panjakana ny tanjona.

Lire la suite

Articles Similaires