Fiatrehana ny tranga El Niño : ilaina ny mametraka drafitrasa dieny izao, hoy ny Vovonana Hina
Manoloana ny mety ho fiantraikan’ny El Niño eto Madagasikara, indrindra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, dia miantso ny tomponandraikitra sy ireo mpisehatra rehetra ny Vovonana Hina mba handray fepetra dieny izao. Tsy tokony hiandry ny fahatongavan’ny hain-tany vao mametraka vahaolana, hoy i Faniry Hantarinivo, filohan’ny Filàn-kevi-pitantanan’ny Hetsika Iraisana Natokana ho an’ny Ady amin’ny Tsifanjariantsakafo.
Mety hampitombo ny tsy fahampian-tsakafo
Tranga ara-toetr’andro voajanahary ny El Niño ary miverimberina isaky ny roa, fito, na folo taona. Anisan’ny fiantraikany lehibe, eto Madagasikara, ny hain-tany, indrindra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mihena ny rotsak’orana, ka mihena ny vokatra ara-pambolena. Misy fiantraikany mivantana amin’ny fidiram-bolan’ny tokantrano izany, araka ny fanazavan’i Faniry Hantarinivo.
Na dia tsy azo sorohina aza ny El Nino, azo omanina mialoha kosa ny fiatrehana ny voka-dratsiny. Araka ny antontan’isa farany navoakan’ny IPC, momba ny fe-potoana aprily 2026 hatramin’ny mey 2027, dia zaza latsaky ny dimy taona iray amin’ny folo no mety ho tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika eto Madagasikara, raha tsy misy fandraisan’andraikitra mialoha.
Mihoatra ny 3 tapitrisa ny olona tandindonin-doza
Any amin’ny tapany Atsimon'i Madagasikara, hahatratra hatrany amin'ny 58%-n'ny mponina no hiatrika tsy fahampian-tsakafo mahery vaika. Olona maherin’ny 3 tapitrisa no voalazan’ny IPC fa mety hiditra amin’ny « phase 3 », raha mihoatra ny 400 000 kosa no mety hahatratra ny « phase 4 », izay midika ho hamehana tanteraka.
Manoloana izany, manao antso avo ny Vovonana Hina, mba hametrahana dieny izao ny drafitrasa azo tanterahina avy hatrany rehefa miseho ny fiantraikan’ny El Niño. Tafiditra amin’izany ny fanentanana sy fampianarana ny mponina momba ny fitahirizana sakafo, ny fanafainganana ny fampisitrahana rano fisotro madio sy ny rano ilaina amin’ny fambolena.
Hamafisina ny fandraisana an-tanana
Ankoatra ny fepetra fisorohana, ilaina ihany koa ny fanamafisana ireo rafitra mandray an-tanana ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. Isan'izany ny CRENI (Centre de Récupération et d'Education Nutritionnelle Intensive), izay ivon-toerana eny anivon'ny hôpitaly, fandraisana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika misy fahasarotana miaraka aminy, sy ny CRENAS (Centre de Récupération Nutritionnelle Ambulatoire pour la malnutrition Sévère), izay ivon-toerana eny anivon'ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) mba handraisana an-tanana ireo zaza latsaky ny 5 taona tratran'ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. Tokony hisy mpandray an-tanana eny amin’ny tobim-pahasalamana, mba hahafahana mandray andraikitra mialoha fa tsy miandry ny firongatry ny tranga vao miditra an-tsehatra, hoy i Faniry Hantarinivo.
Ho an’ny Vovonana Hina, mbola tsy tara ny fametrahana izany drafitrasa izany. Anisan’ny tolotra sosialy fototra ny fanjariantsakafo sy ny fahasalamana, ka ilaina, hoy ny filohan'ny Filàn-kevi-pitantanany, ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny Fitondram-panjakana Fanavaozana, momba ny fametrahana ny sehatra sosialy ho laharam-pahamehana. Tokony harahina teti-bolam-panjakana mazava ihany koa izany, ho fiatrehana mialoha ny mety ho fiantraikan’ny El Niño.




